Madagasikara-Frantsa

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…


  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady eo amin’i Madagasikara sy Lafrantsa

aty amin’ny 10 andro mahery kely tsy hahatongavan’ilay hetsika « Africa Forward » izay mifandraika amin’ny « France-Afrique » hatao any Kenya ny 11-12 mey. Nisy ny fanapahan-kevitra noraisin'ny Governemanta Fanavaozana, nilazana fa "persona non grata" na roahana tsy afaka hipetraka eto ny tomponandraikitra iray eo anivon'ny Masoivoho Frantsay noho ny fihetsika heverina fa tsy mifanaraka amin’ny sata ananany, araka fanadihadiana nataon’ny manampahefana isan-tsokajiny, momba ireo asa fanakorontanana mahavoakasika olom-pirenena malagasy sy vahiny. Nanipika kosa ny Ministeran’ny Raharaham-bahiny fa manaja hatrany ireo fitsipika mifehy ny fifandraisana iraisam-pirenena ny Fanjakana, araka ny voalazan’ny Fifanarahana Vienne 1961. Ny lieutenant-colonel Pierre Couve, ASI (Attaché de Sécurité Intérieure) eo anivon’ny masoivoho Frantsay eto io, izay tonga teto io ny taona 2022 io roahana io, raha ny loharanom-baovao. Nisy ny fampanantsoana ny masoivoho Frantsay eto nampahafantarana an’io. Namaly bontana avy hatrany anefa ny Frantsay, ka nampanantsoin'ny Ministère de l'Europe et des Affaires étrangères ny mpiraki-draharahan'ny Masoivoho Malagasy ao Paris ny 28 aprily ihany koa, mba hanoherana amin'ny fomba hentitra ny fanambarana ny maha "persona non grata" na tsy afa-mijanon eto io diplaomaty anivon'ny Masoivoho Frantsay eto amintsika. Nilaza ny frantsay, fa mandà marindrano ny fiampangana azy io ho mikononkonona fanakorontanana ny Fitondrana fanavaozana eto Madagasikara, izay nambara fa tsy marim-pototra. Tondroin’izy ireo tsy mazava mihitsy ny tian’i Madagasikara hatao eo anatrehan'ny ambarany fa fanohanany ny fanavaozana, sy fiaraha-miasa mitohy sy mafonja entiny miaraka amin'ireo mpiara-miombon'antoka ho an'i Madagasikara nanomboka ny oktobra 2025... Miantso ny manampahefana eto Madagasikara i Frantsa mba hitazona ny fifanakalozan-kevitra mahasoa, mifanaraka amin’ny haavon’ny fifandraisana ara-piaraha-miasa, ho tombontsoan’ny firenena roa tonta. Nialohan’izao no efa nisy resaka mersenera Frantsay 10 nolazain’ny mpanao gazety Harifidy Ramanandraibe fa tafiditra teto, saingy efa namaly an’io ho tsy marina ihany koa ny Frantsay. Voasambotra anefa avy eo ny teratany Frantsay antsoina hoe ; Guy Barret izay nalefa any am-ponja, anisan’ireo anarana 10 voalaza fa mersenera. Lojika raha miaro ny olony ny Frantsay, saingy tena hoe tsy marim-pototra sy mamboly fifandonana diplaomatika na « incident diplomatique » ve ny fitondrana fanavaozana ?

MIVERINA NY SARY TAMIN’NY 2008 ?
Na tiana na tsy tiana aloha, mafampana ny fifandraisana eo amin’ny roa tonta raha raisina amin’izao indrindra fa misy io valin-tenin’i Lafrantsa io, na eo aza ny fomba firesaka ara-diplaomatika ilazana fa manga ny lanitra. . Asa izay ho fipetrany satria tena tao anatin'ny andro nanendrena ny Ambasadaoro vaovaontsika Rabemahefa Michel any Frantsa mihitsy no miseho ny raharaha mafana ? Saika mitovitovy ny fomba firesak’ireo fampahalalam-baovao Frantsay izay milaza fa tsy levon’ny vavonin’ny fitondrana eto Madagasikara ny nampitsoahan’i Lafrantsa (exfiltration) an’i Andry Rajoelina teto ny oktobra 2025, miha mifanatona akaiky amin’i Rosia ny Fitondrana ao Madagasikara tarihin'ny Kolonely Michael Randrianirina,… Miverina ve ny sarisary tamin’ny 2008 rehefa nandroaka ny ambasadaoro frantsay Gildas Le Lidec ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana izay niongana ny 2009 ? Mitsoaka eto ny rivotra any Afrika Andrefana toa an’i Mali, Burkina Faso, Niger,… Firenena samy nanome lamosina an’i Lafrantsa taorian’ny fiovam-pitondrana ? Mandeha ny hetsika fanakorontanana sy fanozongozonana ny fitondrana any amin’ireo Firenena any Afrika ireo miainga avy amin’ny fanetsehana olona avy ao anatiny sy hery avy any ivelany ka asa na fifandrifian-javatra na mety mitovy amin’izany ny sary mitady hitranga eto ? Na tiana na tsy tiana, dia harena an-kibon’ny tany, tombotsoa ara-toekarena,… no isan’ny isisihan’ireo Firenen-dehibe eto, ary tamin’ny dian’i Emmanuel Macron teto ny aprily 2025 fony mbola i Andry Rajoelina no Filoha no nilazany mivantana ny fanirian’i Lafrantsa hahazo toerana amin’ny resaka fitrandrahana stratejika eto.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

  • Vonison Andrianjato
  • Talata 28 Aprily 2026

«Fifandimbiasana ara-jeografika sy

Hijery ny tohiny
FTT