Nanomboka tamin’ity herinandro ity ny fandinihan’ny Parlemanta, dia ny Kongresin’ny tetezamita sy ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita, ny volavolan-dalàna momba ny famotsoran-keloka.
Omaly alakamisy 05 aprily maraina dia nisy ny fivoriana niarahan’ny solontenan’ireo andrim-panjakana isan-tokony toy ny Kongresy, ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita ary ny avy amin’ny governemanta, eo koa ny vaomiera iraisan’ny andrim-panjakana misahana ny lalàna, ireo ilay antsoina koa hoe «comission mixte inter-institutionnelle». Anisan’ny asa tokony himasoan’ity vaomiera iraisana ity ny hisiana fifandaharana mialoha hahitana sy hamantarana izay ho marimaritra iraisana. Ny zava-nisy anefa, araka ny fanazavan-dRaveloson Constant dia omaly alakamisy 05 aprily vao nivory io vaomiera io. Efa tamin’ny talata 03 aprily anefa no nisy volavolan-dalàna tonga eny am-pelatanan’ireo Parlemantera mba hodinihana. Fangatahan’ny ankolafy Ravalomanana àry ny hisintonana ilay volavola nalefa tany amin’ireo parlemantera aloha kanefa tsy nekena izany.
Ankoatra izay dia tsy lefitry ny ankolafy Ravalomanana ny fisiana zavatra tsy mifanitsy amin’ny lalàna iraisam-pirenena amin’ity volavolan-dalàna momba ny amnistia ity. Ny fitsarana iraisam-pirenena, ohatra, no mamaritra ny hoe fanosihosena tanteraka ny zo mahaolona kanefa dia nampidirina ao anatin’ity volavolan-dalàna malagasy ity izany. Tsy notanisaina akory ny famonoan’olona tamin’ny alalan’ny fandoroana kanefa raha ny lalàna malagasy dia mendrika famonoana ho faty ny sazy amin’izany. Etsy andanin’izany dia fangatahan’ny ankolafy Ravalomanana ihany koa ny tokony ho nizarana amin’ny Parlemantera ilay «mémorandum» avy amin’ny SADC hahazoana mijery na mifanaraka na tsia amin’ny lalàna iraisam-pirenena ny zavatra hatao.
Nambara anefa, hoy Raveloson Constant, fa dia firenena masi-mandidy i Madagasikara ka tsy mila izay hevitra avy any ivelany. Tsy mifanalavitra tamin’ny zava-nisy maraina ny nitranga ny tolakandro izay nivorian’ny vaomiera misahana ny lalàna sy ny vaomiera miandraikitra ny fampihavanam-pirenena sy ny amnistia, hoy ihany ity mpitari-tolona eo anivon’ny MFM ity. Raha ny sori-dalana, hoy izy dia fankatoavana no tokony ho natao, noho izany dia tokony ho nisy fifandaharana mialoha nahitana ny marimaritra iraisana. Na ny dinika efa vita teo anivon’ny governemanta aza, araka ny fanazavany ihany dia tsy voahaja tamin’ilay volavolan-dalàna nalefa tany amin’ireo Parlemantera. Manao be marenina ny sasany, hoy ihany Raveloson Constant, ka dia hojerenay avokoa manomboka amin’ny vaventy ka hatramin’ny antsipirihiny. Nisintaka izahay, hoy ihany izy mba hanairana sy hanetsehana ny ankolafy hafa sy ny SADC. «Eo am-pandrasana no hahitanay ny atiny ka tsy avelanay handeha amin’izao io», hoy ihany izy.
Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.