Politique

Kardinaly Pietro Parolin teto Madagasikara Misy ambadika politika ?


  • Talata 31 Janoary 2017

Naneho ny heviny mikasika ny fahatongavan’ny kardinaly Pietro Parolin, sekreteram-panjakanan’i Vatican teto amintsika Ranaivo Sata, filoha lefitry ny fikambanana Asandratro ny fireneko omaly.

Nambarany fa  ny  hampivondrona ny olony no antony nahatongavan’ity kardinaly ity teto amintsika mba hanehoany fa mbola izy no mitantana ary mbola azy ny fahefana.  Tena nahay nivondrona tokoa ny olony, hoy hatrany Ranaivo Sata satria na dia ny mpanohitra aza mba tonga teny Mahamasina ihany koa. Mody fampihavanana no resahina nefa  politika avo lenta no ao ambadik’ireny dia ny handrokidrokiana ny vahoaka Malagasy efa  sahirana  hiditra amin’ ny fifidianana mialoha ny fotoana hahafahany mametraka  ny olony hitantana ny firenena. Midika izany fa tsy hisy fifidianana marina sy mangarahara eto amin’ny firenena fa resabe fotsiny no betsaka. Tsy maintsy ny saribakoliny ihany mantsy no hapetrak’ireo bolokim-bazaha sy ny forongony eto amintsika ka tokony samy ho mailo isika Malagasy. Nomarihiny manokana fa ny 80 %-n’ny ady eto Madagasikara dia adim-panahy avokoa ary tsy maintsy ny fanjakana tsy hita maso no mitantana ny fanjakana hita maso amin’ny alalan’ireo fikambanana maro samihafa manao fanompoan-dratsy miara-dalana amin’ny mpitondra ankehitriny.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vondrona
  • Alakamisy 05 Novambra 2026

politika hafa miray

  • Fitsaràna avo
  • Alakamisy 05 Novambra 2026

momba ny lalàmpanorenana

  • Fialan’ny Minisitry
  • Alarobia 04 Novambra 2026

ny MNDPT

  • Alain Mahavimbina
  • Alarobia 04 Novambra 2026

«Firenena manana politika

  • Governemanta
  • Alarobia 04 Novambra 2026

Niala ny Minisitry ny

  • Fakan-kevitra
  • Alarobia 04 Novambra 2026

momba ny fifidianana Havoaka ofisialy

Hijery ny tohiny
FTT