Fa inona no mitranga ? Higadona ihany ity ny datin’ny 17 novambra, voatondron’ny fampiharana ny tondrozotra fa tokony hijoroan’ny governemantan’ny firaisam-pirenena tarihin’ny praminisitra Jean Omer Beriziky.
Mananika ny 80 ny isan’ireo kandida tonga teny amin’ny fiadidian’ny praiminisitra eny Mahazoarivo, ary hatramin’ireo vondrona nanao sonia fanohanana ny tondrozotra aza nanolotra lisitra ary noraisina. Raha efa saika nandalo teo ambany mason’ny praiminisitra Beriziky sy nohenoiny ny ankamaroan’ny kandida avy amin’ireo vondrona politika samihafa, dia fantatra fa tsy mbola nandray ireo kandidan’ny mpanohitra ny tenany. Hohajaina ihany sa tsia ny tetiandro nofaritana ? Etsy andaniny anefa dia mandeha ny feo hatry ny omaly fa efa nanolotra lisitra izay heveriny fa ho mpikambana handrafitra ny governemanta tantanany any amin’ny filohan’ny tetezamita, Andry Rajoelina ny praiminisitra. Ity farany rahateo dia tsy mitsahatra ny miaka-midina eny Ambohitsorohitra. Fantatra moa fa nangataka fihaonana amin’i Omer Beriziky, ireo mpitarika ny mpanohitra eto an-toerana, ivondronan’ny ankolafy Zafy, Ravalomanana ary ny Monima ka anio no heverina fa hisian’izay fihaonana izay. Na tsy nambara aza ny ho anton’ny fihaonana dia mazava fa ny mikasika ny lisitra natolotry ny mpanohitra sy ireo ministera tadiaviny no horesahana mandritra izany.
Loharanom-baovao hafa koa anefa no mitatitra fa sahiran-tsaina i Andry Rajoelina sy ireo mpanolotsainany manoloana ny tsindry ataon’ireo mpamatsy vola tsy manaiky ny hamerenana intsony ireo minisitra teo aloha andaniny, ary ankilany, manoloana ny lisitra tokana naroson’ny mpanohitra izay mamaritra avy hatrany ihany koa ny ministera heveriny fa hotantanana. Ny mpanohitra izay efa nandrangaranga koa fa mba hisian’ny fifandanjam-pahefana dia mizara misasaka ny ministera, ka ny 50% an’ny mpanohitra ary ny 50% ambiny ifampizaran’ireo mpiara-dia amin’i Andry Rajoelina.
Hatreto anefa, tsy mbola fantatra mazava ny ho firafitry ny governemanta Beriziky io sy izay ho isan’ny ministera ao anatiny. Tombantombana ny betsaka, fa ny re omaly dia hamihina ho azy irery ireo ministeran’ny fiandrianam-pirenena i Andry Rajoelina. Tsy hanaiky mora foana izany anefa ny mpanohitra, izay efa nilaza mazava koa hatry ny omaly, fa tsy filoham-pirenena voafidim-bahoaka akory i Andry Rajoelina, ka hanana zo tsy ifampizarana amin’izany. Tetezamita rahateo ny resaka eto. Fantatra moa fa dia manaraka akaiky ny fivoaran’ny fandrafetana io governemanta io ny minisitra lefitra afrikanina tatsimo, Marius Fransman, mitarika ny iraky ny Troika-SADC amin’ny fandaminana ity krizy Malagasy ity. Andrasana amin’ity herinandro ity rahateo ny fahatongavany eto.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.