Saika niverina ombieny ombieny isaky ny fanehoan-kevitry ny Jeneraly Rasolosoa Dolin filohan’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita, tao anatin’ny resadresaka fohy nifanaovan’ny Gazety Tia Tanindrazana taminy tetsy Anosikely, ny hoe : «vahoaka mijaly » ao anatin’izao fitondrana tetezamita sy ny krizy izao. Ampy izay ny fifampisintomana, hoy izy, fa efa tena fadiranovana ny vahoaka.
Gazety Tia Tanindrazana (TT) : Raha ny zava-misy amin’izao fotoana no jerena, tsy mivaona ny zavatra nitolomanareo teny amin’ny kianjan’ny 13 mey tamin’ny 2009 ve ?
Jeneraly Dolin Rasolosoa (JDR) : Moa ve nanaraka tokoa ny hetahetan’ny mpitolona tamin’ny 2009 ny zava-misy ankehitriny ? Marina tokoa fa niaraka tamin’ny vahoaka ny tena, nanantena hoe hampisy fiovana. Iaraha-mahafantatra fa maro ihany hatramin’izay ny fikatsahana fiovana eo amin’ny lafiny fitantanana, lafiny sosialy, indrindra lafiny ara-toekarena, ka hoe aoka tsy ho an’olom-bitsy ny zavatra ho azo fa hozaraina araka ny rariny sy ny hitsiny araka ny toerana misy sy ny asa atao. Izay ny hetaheta.
T.T : Nodradrainareo hoe : tsy ilaina ny iraisam-pirenena nefa …
JDR : Tsara hazavaina kosa fa ilay tolona natao, tsy hoe resaka tsy fitiavana olona, dia tsorina izany fa i Marc Ravalomanana io, fa ilay fomba fitantanany no nahatonga ny vahoaka nihetsika. Fantatra anefa fa tsy mitovy ny zavatra taloha sy ny amin’izao fotoana izao. Nampidirina tao anatin’ny SADC isika izay rafitra manana fitsipika. Ka na tiana na tsy tiana dia tafiditra amin’ny resaka iraisam-pirenena isika. Manan-tsafidy ny mpitondra ny tetezamita, na handeha irery tahaka ny natao hatrizay nefa tsy hahazo fankatoavana, na miaraka amin’ny iraisam-pirenena dia tsy maintsy manaiky azy ary farany, raha tsy miankina amin’ny avy any ivelany dia ny vahoaka tsy maintsy hihafy sy hijaly.
T.T : Fa misy ny manohitra ilay sori-dalana ankehitriny ?
JDR : Eo no ilaina ny serasera amin’ny vahoaka. Efa niroso tamin’ny fanovana isika toy ny fananganana ny CENIT farany teo izay rafitra handehanana any amin’ny fifidianana tsara tantana sy mangarahara tanteraka ary eken’ny besinimaro. Efa tafapetraka koa fa bileta tokana no hampiasaina. Dia mipetraka izao ity sori-dalana ity. Telo taona isika teo miandrandra zavatra azo tsapain-tanana. Efa mba tafiditra ao daholo ireo nanohitra tety ivelany. Io izany sisa azo tazonina na saringontina mba hamaranana izao fijaliam-bahoaka izao. Koa manao antso aho hoe : ampy izay fifampisintomana izay fa tena fadiranovana ny vahoaka ka raha tena tia tanindrazana, na samy manana ny firehan-keviny aza, rehefa samy nanaiky izao fiaraha-mitantana izao dia tokony hapetraka izany toe-tsaina ambony. Hoe amin’ny fomba ahoana ? Izay no iaraha-midinika. Manana anjara ao daholo ny rehetra hatramin’ny iraisam-pirenena sy ireo raiamandreny samihafa hatramin’ny mpanao politika nanao sonia ny tondrozotra. Inona moa no manakana ny filoha hamory ireo olona rehetra ireo dia haverina ireny zavatra natao tamin’ny 1991 teny amin’ny Panorama ireny. Amiko dia tsy tokony hatahorana ny miresaka ny mikasika ny filoha Ravalomanana,izany, fa ireo tompon’andraikitra politika rehetra no miara-manapaka : na avela hody izy tsy kitikitihana fa malalaka ; na hoe afaka mody izy araka ny andininy faha-20 fa dinihana koa ny andininy faha-45 fanampiny ; na hoe mbola tsy fotoanany izao.
T.T : Dia ahoana ilay Diniky ny samy Malagasin-dry Pr Zafy ?
JDR : Andiany vitsy no nidinika momba azy io ary tsy miankina amin’ny sori-dalana ka raha samy hanao izany dia miverina any an-doharano indray. Io sori-dalana io no tokony hamboarina hifandinihana.
T.T : Ary ilay “Conférence au sommet” an’ny Amiraly ?
JDR : Ny azy indray dia ireo filohan’ny ankolafy efatra izay tsy voalaza anaty sori-dalana no resahiny. Efa lasa lalàna izao ny sori-dalana. Ny lalàna natao harahina. Izay no mahatonga ahy hoe: io ihany no izy. Tsy manome tsiny ny rehetra aho raha mba mitady hevitra saingy mitarazoka loatra ny krizy ka rehefa lalàna dia lalàna. Fa ny mampalahelo dia tsy misy mandray andraikitra amin’ny fampiharana ilay sori-dalana. Efa niantso ny FFKM izahay fa nihalangalana ry zareo.
TT : Tsy nanenina ve ianareo noho izany zava-misy izany ?
JDR : Ny nanenina aloha tsy misy. Na izany aza dia manahy aho fa raha nitohy iny vao mainka “pire”. Ny olana dia tsy ampy ny fanazavana amin’ny olona. Aleo hibanjina amin’izay ny fampandrosoana ara-toekarena fa aoka izay ny adilahy polititka. Efa niteny tamin’ny SADC izahay hoe : efa nanao ezaka be dia be izahay fa mba inona no nataonareo ? Aiza ny fanampiana ? Dia niantso ireo namana rehetra tsy an-kanavaka ato amin’ny CST aho, fa tompon’andraikitra isika ka tsy hihetsika ve hampandehanana io sori-dalana io, fa handany lalàna fotsiny dia hijanona eo ? Tonga ny fotoana handraisana andraikitra hanomezana hasina ny Vahoaka.
Nangonin’i Manohy
SARY : Jeneraly Rasolosoa Dolin
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.