Ny zava-dehibe indrindra amin’izao zava-misy izao, hoy ny filohan’ny fikambanana Hafari Malagasy, Jean Nirina Rafanomezantsoa, dia ny fanalalahana ny fanondranana harena an-kibon’ny tany.
Ny fitrandrahana vato sarobidy sy volamena, hoy izy, dia hahafahana misintona ireo olona variana tsy mamboly sy miompy fa miantehitra amina bizina isan-karazany. Maninona raha sokafana ny karieran’i Soamahamanina dia ireo Malagasy matihanina no ampiasaina ao? Matoa ny sinoa nandany miliara nikasa hitrandraka tao, nampiasa fitaovana arifomba dia misy harena sarobidy ao. Tokony Malagasy firy tapitrisa no hiasa any hitrandraka ny volamena ao? Ny fanalalahana ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany sy ny mpandraharaha no manalefaka izany rehetra izany. Raha ny fijeriko azy dia tsy misy fijerena tavan’olona ny fampiharana lalana eto fa ny dingam-pitsarana na “procédure” no tsy mety. Minisitra avy nanao adalana, ohatra, dia tsy maintsy mbola mandalo fitsarana avo na “haute cour de justice”. Io mbola mandefa any amin’ny depiote dia izay tian’ny depiote tapahana ao no ahafahana manenjika na tsia olona iray. Tokony ravana ny HCJ fa atao tribonaly tsotra no an’ny rehetra. Tokony handalo fitsarana izao ny minisitra Imbiki Herilaza tamin’ireny zava-misy ireny fa tsy maintsy mbola handalo HCJ izy, mbola handalo depiote. Ny depiote nefa tsy maintsy hiaro azy dia ho aiza ary isika ao anatin’izay, hoy hatrany ny tenany ?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.