Politique

Jean Nirina Rafanomezantsoa “Ravana ao any ny HCJ, tribonaly tsotra dia ampy”


  • Talata 22 Martsa 2022

Ny zava-dehibe indrindra amin’izao zava-misy izao, hoy ny filohan’ny fikambanana Hafari Malagasy, Jean Nirina Rafanomezantsoa, dia ny fanalalahana ny fanondranana harena an-kibon’ny tany.

Ny fitrandrahana vato sarobidy sy volamena, hoy izy, dia hahafahana misintona ireo olona variana tsy mamboly sy miompy fa miantehitra amina bizina isan-karazany. Maninona raha sokafana ny karieran’i Soamahamanina dia ireo Malagasy matihanina no ampiasaina ao? Matoa ny sinoa nandany miliara nikasa hitrandraka tao, nampiasa fitaovana arifomba dia misy harena sarobidy ao. Tokony Malagasy firy tapitrisa no hiasa any hitrandraka ny volamena ao? Ny fanalalahana ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany sy ny mpandraharaha no manalefaka izany rehetra izany. Raha ny fijeriko azy dia tsy misy fijerena tavan’olona ny fampiharana lalana eto fa ny dingam-pitsarana na “procédure” no tsy mety. Minisitra avy nanao adalana, ohatra, dia tsy maintsy mbola mandalo fitsarana avo na “haute cour de justice”. Io mbola mandefa any amin’ny depiote dia izay tian’ny depiote tapahana ao no ahafahana manenjika na tsia olona iray. Tokony ravana ny HCJ fa atao tribonaly tsotra no an’ny rehetra. Tokony handalo fitsarana izao ny minisitra Imbiki Herilaza tamin’ireny zava-misy ireny fa tsy maintsy mbola handalo HCJ izy, mbola handalo depiote. Ny depiote nefa tsy maintsy hiaro azy dia ho aiza ary isika ao anatin’izay, hoy hatrany ny tenany ?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT