Politique

Fifidianana 2018 Manomana ny paikadiny ny ARMADA


  • Alatsinainy 30 Janoary 2017

Raha tsy heno nandritra ny fotoana ela dia manomboka mipoitra indray ankehitriny ilay vovonana politika teraka teny Ambodivona, fantatra amin’ny anarana hoe « ARMADA »,

 izay ivondronana antoko miisa 5, izay mirona bebe kokoa any anaty fanoherana izao fitondrana izao, toy ny vondrona MAPAR tarihin’i Andry Rajoelina, ny Antoko Malagasy Miara-miainga an’i Hajo Andrianainarivelo, ny Antoko Havana tarihin’i Jean Louis Robinson, ny Antoko Hiaraka Isika an’i Camille Vital, ary ny Antokon-Rabetsaroana Sylvain. Efa somary mitodika any amin’ny fifidianana filoham-pirenena ho avy izy ireo ankehitriny, saingy mbola manjavozavo ny fomba hiatrehana izany. Raha ny fanazavan’i Jean Louis Robinson, filoham-boninahitry ny antoko Havana, dia tsy voafaritra aloha hatreto na hanana kandida iraisana izy ireo na samy hirotsaka satria manana ny fahalalahany ny tsirairay. Ny ankamaroan’ireo mpikambana rahateo dia mpanao politika efa tsy zoviana amin’ny maro sy efa nisedra fifidianana. Misy ny efa nirotsaka hofidiana ho filoha tamin’ny taona 2013, isan’ireny i Jean Louis Robinson, Hajo Andrianainarivelo, Camille Vital… Samy milaza azy ho manana paikady hoenti-mampandroso ny firenena avokoa ny mpanao politika eto amintsika saingy resabe sy fampandriana adrisa no betsaka. Tsy misaina afa tsy ny hahazo seza ny ankamaroany, fa izay hampandroso izany toa mbola nofinofy. Raha tena vonona ny hanasoa ny firenena mantsy dia miandry mahazo seza vao afaka ny hanao izany. Manodidina ny 300 ireo antoko politika eto amintsika izay ahitana mpomba sy mpanohitra, ary samy milaza ho tia tanindrazana avokoa. Raha samy nanao izay ho afany nanasoa ny tanindrazana ireo antoko politika hatrany amin’ny 300 ireo, dia tsy ho toy izao mihitsy no niafaran’ity tanindrazantsika ity. Isika samy isika aza tsy mahay mifandamina fa mifanipaka toy ny valala an-karona sy mifaninana handroba ny firenentsika, ka inona no fampandrosoana hisy eto. Raha mbola toy ny misy ankehitriny ny fomba fisaina sy fanaovana politika eto, dia tsy handroso isika na mbola afaka arivo taona aza.

Toky R .

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vondrona
  • Alakamisy 05 Novambra 2026

politika hafa miray

  • Fitsaràna avo
  • Alakamisy 05 Novambra 2026

momba ny lalàmpanorenana

  • Fialan’ny Minisitry
  • Alarobia 04 Novambra 2026

ny MNDPT

  • Alain Mahavimbina
  • Alarobia 04 Novambra 2026

«Firenena manana politika

  • Governemanta
  • Alarobia 04 Novambra 2026

Niala ny Minisitry ny

  • Fakan-kevitra
  • Alarobia 04 Novambra 2026

momba ny fifidianana Havoaka ofisialy

Hijery ny tohiny
FTT