Mampifandrafy ary mety hampiady mihitsy aza ny ahiahy. Mitodika atsy Pretoria Afrika Atsimo ny mason’ny rehetra, indrindra amin’ity andro Alarobia faha-28 Aprily 2010 ity.
Ifantohan’ny saina ny fanaovan-tsonia na tsia ny fifanarahana fanintelony hivoahana amin’ny krizy pôlitika eto Madagasikara. Ipetrahan’ny fanontaniana ihany koa ny mety ho endrik’ilay fifanarahana. Toa misitery ihany mantsy ny manodidina azy io ho an’ny Malagasy eto an-toerana sy any ivelany. Teraka avy hatrany ny ahiahy raha tsiahivina fohy ny lasa manoloana ny ankehitriny sy ny hoavy.
Ny fitondrana frantsay no fantatra fa nandray an-tanana feno sy mivantana ny fandrafetana ny rijanteny, anton’ny fifanatrehana atsy Pretoria anio. Taorian’ny finiavana hampandamoka ny fifanarahana roa vita sonia teo aloha, ho fitsinjovana ny tombontsoa manokan’ny firenena iray sy ny olony eto Madagasikara, no nisian’izany. Hoterena an-kolaka hanao sonia ny fifanarahana vaovao ny Filoha Ravalomanana rehefa nofakafakaina maimaika ny tenin-dRajoelina. Nisy tokoa ny fehezanteny mifono hevi-dalina nambarany herinandro mialoha ity fihaonana atsy Pretoria ity sy efatra andro taorian’ilay tantara indray miseho tao Alasora kanefa tsy nanome ny vokatra mahafa-po nandrasana taminy.
Tamin’ny taona 1960, dia efa voavolavola mialoha ny vontoatin’ny rijanteny nantsoina hoe «Les accords de coopération» na «Ny fifanaraham-piarahamiasa». Nambara fa an-tsitrapo izy io ary dia efa vita sonia mialoha ihany koa ny 4 Aprily 1960. Rehefa izany dia nankatoavin’ny Antenimieram-pirenena sy ny Antenimierandoholona frantsay ny 9 sy ny 16 jona 1960 ny fifanaraham-piarahamiasa. Nankatoavin’ny Antenimiera malagasy tamin’ny alalan’ny tehaka (par acclamation) ihany koa izy io. Nambara ampahibemaso ny 26 Jona 1960 tao amin’ny kianjaben’i Mahamasina ny fiverenan’ny fahaleovantenan’ny firenena malagasy. Ny ampitson’io, izany hoe ny 27 Jona 1960, vao niara-nanao sonia ny fifanaraham-piarahamiasa i Tsiranana Philibert sy i Jean Foyer. Ny 28 Jona anefa vao tomombana manontolo ny fankatoavana ny fifanarahanam-piarahamiasa Frantsa-Madagasikara. I Jean Foyer dia tsy iza fa ny sekreteram-panjakana frantsay miadidy ny Fifandraisana amin’ireo firenena tao anatin’ny Fivondronambe frantsay tamin’ny fotoan’androny.
Ankinafinafina
Fanarian-dia ny Malagasy no tao ambadik’izany rehetra izany. Sanatria toy ny faty entina alina ka tsy mahalala izay hitondrana azy, araka ny fiteny mahazatra, ny mponina. Nampiasain’ny Frantsay ny fomba rehetra mba tsy ahafantaran’ny besinimaro ara-potoana ny zavatra tinapaka sady voafaritra mialoha ho an’ny tombontsoany manokana.
Tsy misy valaka amin’izany ny zava-misy ankehitriny. Tsaroana tsara ny teny vitsy nisolifatra nivoaka ny vavan’i Andry Rajoelina momba ny sori-dalana vaovao naroson’ny Frantsay taminy. Tsapa mivantana amin’ny alalan’izy ireny ny fisian’ny ankiafinafina ao ambadiky ny rindrina ao. Nanao antso avo tamin-dRajoelina ny mpanao politika Ravololomanana Lalatiana afak’omaly Alatsinainy. Nitaky izy ny hampahafantarana mazava tsara ny Malagasy ny zava-boalazan’ny fifanarahana hatao sonia atsy Pretoria. Ho tompon-trano mihono mandrakizay eto tokoa mantsy ny rehetra manoloana ny hevi-petsin’ny sasany.
Sehatra enina lehibe mifaningotra mivantana amin’ny aim-pirenena sy ny isam-batan’olona no voarakitry ny fifanaraham-piarahamiasa Frantsa-Madagasikara vita sonia tamin’ny taona 1960 : ny fifandraisana amin’ny any ivelany, ny fiarovam-pirenena, ny famatsiam-bola, ny fiharinkarena sy ny fitantanam-bola, ny fampianarana ary ny fitaterana sy ny fifandraisan-davitra.
Nampiharina nandritra ny 50 taona ny fifanaraham-piarahamiasa tamin’ireo sehatra ireo. Ho tapitra ny 27 sy 28 Jona 2010 izao ny fe-potoana mampanan-kery azy. Voaresaka ombieny ombieny fa te hanavao indray azy io ny fitondrana frantsay ankehitriny, ary dia io izy seriny mafy noho ny rehetra io.
Soritana mazava tsara fa ota fady sy heloka bevava teo imason’ny Frantsay no nataon’ny Filoha Ravalomanana momba ireo sehatra enina lehibe voarakitry ny «fifanaraham-piarahamiasa» ireo, na dia voalaza fa nisy Filoha teo aloha nahavita nanova na nanafoana mihitsy ny fifanaraham-piarahamiasa Frantsa-Madagasikara. Ny fanonganam-panjakana nitranga tamin’ny 2009, izay loharanon’ny olana goavana mihatra amin’ny isan-tokantrano maro ankehitriny, no vokatry ny fandraisan’andraikitry ny Filoha voafidim-bahoaka. Tsy ho lavitry ny fifanarahana efa nisy teo aloha, noho izany, ny endriky ny fifanarahana vaovao, izay mahaseriny mafy ny Frantsay izao io.
Ry zareo tenany mihitsy no maniry mafy hanao sonia mivantana azy io raha azony atao, saingy mahamenatra eo imason’izao tontolo izao ny fanao toy izany ankehitrio. Koa dia i Andry Rajoelina, izay zanaka an-trano sady zanaky ny Malagasy rahateo, no hisolotena azy ireo. Ny Filoha Ravalomanana kosa no hisolotena ny firenena malagasy, noho izy Filoha amperin’asa farany saingy noesorina ankeriny. Ho sarotra fitahina, tsy toy ireo hafa, anefa izy raha mitempo «ho an’ny tanindrazana» marina tokoa ny fony.
Rivonala Razafison
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.