Ny zava-misy taorian’ny dinika tany Pretoria, ny fifandraisany amin’ny filoha Marc Ravalomanana, ny amin’ny «Plan B» an’i Andry Rajoelina, ny tohin’ny hetsiky ny ankolafy Madagasikara. Manazava i Fetison Rakoto Andrianirina, lehiben’ny delegasiona Marc Ravalomanana, ato anatin’ny zoro Mivantambatana.
Tia Tanindrazana (T.T) : Mihitsoka ny famahana ny krizy, mbola misy fanantenana ve ny hitohizan’ny dinika sa tapaka tokoa araka ny nambaran’i Andry Rajoelina ?Fetison Rakoto Andrianirina (F.R.A) : Tsy mahazo kivy sy miraviravy tanana rehefa mahatsiaro ho tompon’andraikitra. Ny firenena iray manontolo miaraka amin’ireo vahoaka maro be ao aminy dia manantena vahaolana avy aminay mpitondra sy mpanao politika. Ny filazana fa tapaka tsy misy fanafany ny dinika dia midika famonoana ny Malagasy izay efa tafiditra ao anatin’ny kizo tsy hita pesimpesenina.
Tsy maintsy manohy ny fifampidinihina ny rehetra fa raha tsy izany dia tsy ho azo ny fankatoavana iraisam-pirenena. Zava-dehibe io satria isika tsy afaka ny hitoka-monina. Ny firenena ngeza toa an’i Grèce aza mila ny fanampian’izao tontolo izao, maika fa isika Malagasy. Tsy misy ary tsy hisy filaminana sy fitoniana eto amintsika raha toa ka tsy misy ny vahaolana iraisana.
T.T : Taorian’i Pretoria, efa nisy ve ny fihaonanao tamin’i Andry Rajoelina na fifanatonan’ny ankolafy misy anareo ?
F.R.A : Raha ny avy aty aminay Ankolafy Ravalomanana aloha dia tsy mbola nisy ny fifanatonana tamin’ny Ankolafy Rajoelina. Nisy ny fifampitondrana nifanarahana teo aminay Ankolafy taorian’ireny zava-nitranga talohan’ny fivoriana tany Pretoria ireny ka dia samy manaja tsara ny fifandaminana anaty ny rehetra. Fa na dia izany aza dia tsara raha tohizana ny dinika eo amin’ny Ankolafy rehetra mialoha ny fihaonana farany hatao any Pretoria. Tsy tokony hiandry ny fanapahan-kevitra mety horaisin’ny foloalindahy na ny korontana ateraky ny vahoaka izahay rehetra, indrindra fa ny Ankolafy Rajoelina vao handray ny fanapahan-kevitra mifanaraka amin’ny famerenana ny filaminana sy ny fitoniana ary ny fiaraha-miasa amin’ny vondrona iraisam-pirenena.
T.T : Tsy tana fa hanangana ny governemantany i Andry Rajoelina ary hiroso amin’ny fifidianana, handray anjara ve ianareo ?
F.R.A : Mazava fa tsy handray anjara amin’izany governemanta tsy nifanarahana izany izahay. Mbola averiko ihany fa amin’ny maha tetezamita ny tetezamita dia tsy misy afaka mitonon-tena ho tompon’andraikitra samy irery. Tokony hiarahana mitantana izany indrindra moa fa ireo izay voakasik’iny raharaha iny mivantana. Fa raha tsy izany, tsy tokony hisy handray anjara ny Ankolafy rehetra fa hiandry ny fifidianana hidirana amin’ny fitondrana ara-dalàna vaovao.
T.T : Ary raha misy mandray anjara, toy ny tamin’ny governemanta Roindefo ?
F.R.A. : Ataoko angamba fa efa ampy ho fianarana ho an’ny mpikambana ao aminay ny zava-niseho tamin’ireny fotoana ireny. Tsy mitondra ho amin’ny fivoahana amin’izao krizy izao izany tsy fanajana ny fifampitondrana misy eo amin’ny Ankolafinay. Raha sanatria ka misy izany dia ny tantara sy ny vahoaka no hitsara azy ireo.
T.T : Tena efa tafiditra lalina amin’ny sehatra politika ny fahitan’ny olona ianao, manana eritreritra hirotsaka hofidianana filoham-pirenena tokoa ve i Fetison Rakoto Andrianirina?
F.R.A : Ny zava-nanahirana ny ankamaroan’ny mpitondra sy mpanao politika eto amintsika dia ny tsy fisian’ny fitaizana ara-politika. Mbola sarotra amintsika ny mihazona ny foto-kevitra ijoroana ka indraindray miovaova manaraka ny toetrandro sy ny firehana mitondra. Matoa nanaiky ny hiara-hiasa ao amin’ny Ankolafy Ravalomanana dia tokony hanaja ny tanjona iraisana. Raha tsy izany dia tokony hiala. Ho an’ny Filoha Ravalomanana dia ny fiverenany eto an-tanindrazana sy ny fahafahany mirotsaka indray, hahafahany manohy izay efa natombony ho fampandrosoana an’i Madagasikara hofidian’ny vahoaka no tanjona. Iombonanay rehetra tsy ankanavaka izany !
T.T : Manao ahoana tokoa izao ny fifandraisanao sy ny filoha Marc Ravalomanana ?
F.R.A : Misy zavatra tsinjonareo fa tsy mety angaha ? Gaga aho amin’ny fanontaniana. Marina fa betsaka ireo izay te hampiady sy hampisaraka anay. Fomba fiady avokoa izany satria matoa mbola tonga amin’izao toerana misy azy izao ny tolona dia nety tsara izany ny fiarahanay mianaka niara-miasa. Tsy hitako izay tsy tokony hanohizana an’izany, raha hahasoa ny firenena sy ny vahoaka.
T.T : Hiverenana ny famahana ny krizy, ianareo moa izany hiziriziry amin’ny Maputo sy Addis Abeba sa hilefitra ihany ?
F.R.A : Tsy izahay anie no miziriziry amin’ny Maputo sy Addis-Abeba e ! Hitantsika izao fa ny Vondrona Iraisam-pirenena dia miombon-kevitra sy mitaky ny fampiharana an’izay efa nosoniavina sy nekena, koa inona indray no hisalasalana. Jereo fotsiny ny fanapahan-kevitry ny Vondrona Eoropeanina farany teo. Very ny vola be tokony hanampiana ny vahoaka malagasy. Aza izahay no homen-tsiny fa jereo aiza no sakana !
T.T : Inona no tohin’ny hetsikareo ankolafy Ravalomanana, eny na ny hetsika Madagasikara koa aza ?
F.R.A : Mitohy tsy hijanona ny fihetsiketsehana fitakiana ny fametrahana an’ireo izay efa nekena. Tsy ny fitiavan-tenan’ireo izay milaza fa mitondra ny firenena no atao sakana tsy hivoahantsika ao anatin’izao olana ara-politika izao. Tsy mila manentana akory ange izahay fa ny maro no mahita ankehitriny fa tena tsy zaka intsony ny fahantrana vokatry ny tsy fiaraha-miasa amin’ireo mpamatsy vola iraisam-pirenena.
T.T : Teny entinao hamaranana ny tafatatafantsika !
F.R.A : Tsy fotoanan’ny andrana intsony izao. Ampy izay ny fotoana very. Aza ampijaliana intsony ny vahoaka malagasy fa tsy naniry ny hiaina ao anatin’izao fahantrana sy tebiteby izao izy ireo.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.