Politique

Fananganana governemanta Tokony ho an'ny GFC ny 20%, hoy ny TANDEM


  • Talata 15 Novambra 2011

Tsy afaka ny hionona amin'ny fitsinjarana misy ankehitriny ny GFC (Groupement des Forces Centristes) sy ireo mpomba azy.

Manamafy hatrany ny fitakiana ny hitsanganan'ny governemanta hatramin'ny 17 novambra izao izy ireo. Araka ny nambaran'ny filohan'ny Tanora Andrin'ny Demokrasia eto Madagasikara (TANDEM) dia tokony homena toerana ao amin'ny governemanta ny GFC ary ny 20% mihitsy izany. Mba nanao izay ho afany tamin'ny fikatsaham-bahaolana mantsy izy ireo, hoy i Clarel Andriatsiately. Nanamafy ihany koa ny tenany fa misy ny faneriterena ambadika ny praiminisitra ankehitriny, toy ny eny Iavoloha sy ny eny Ivandry, noho izany, takiany ny hanomezana fahalalahana io praiminisitra io amin'ny fanatanterahany ny safidiny. Ireo minisitra izay mitazona toerana amin'ny alalan'ny fanakaramana sy fampirisihana tanora ihany koa dia nokianin'i Clarel mafy fa tokony hipetraka amin'ny toerany amin'izay. Io no nitaritany ny famaritana izay olona tokony hipetraka ho minisitra eo, ka nanamarihany fa izay manana diplaoma mifandraika amin'ny toerana tazoniny sy olona madio tanana no hotendrena.

Manohy

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT