Herinandro vaovao, ho kihon-dalana ho an’ny famahana ny krizy eto Madagasikara ity satria raha tsy misy ny fiovana dia tokony ho fantatra amin’ity herinandro ity ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta Beriziky.
Ho an’ny mpanohitra moa dia mazava ny resaka fa tsy mantsy ampifandanjana ny hery. Mitaky ny antsasak’ireo toerana eo anivon’ny governemanta izy ireo. Raha ny filazan-dRavelonanosy Mamitiana, depioten’Ankazobe teo aloha, dia tsy eken’Ambohitsorohitra ny fitakian’ny ankolafy Ravalomanana ny toeran’ny praiminisitra lefitra sy ny minisitry ny fitsarana. Araka ny fanazavan’ity olom-boafidy TIM ity anefa dia na grady na fahaizana dia tsy misy tsy mahafantatra ny kandidan’ny mpanohitra ho minisitry ny fitsarana. Nambarany ihany koa fa na ny sendikan’ny mpitsara aza tsy tokony hanana olana amin’io kandida natolotra io. Raha tena iaraha-mitantana ny tetezamita, hoy izy dia tsy maintsy misy ny fifandanjam-pahefana, midika izany fa tsy maintsy misasaka ny fahefana. Mialoha ny fanendrena ireo minisitra, araka ny fanazavana dia ilaina hampahafantarina ny antoko nanolotra azy ny olona sy ny anjara andraikitra nomena azy.
Araka ny fanazavana dia olona nandray anjara mivantana na ankolaka tamin’ny tolona avokoa ireo kandida ireo. Momba ireo minisitra teo aloha mbola misisika ho minisitra ihany moa dia nambarany fa efa tsy nahavita ka mila miala. Tetsy andanin’izany dia nambaran’ny depioten’i Faratsiho, Randrianjatovo Henri, fa ny teo anivon’ny FAT ihany no namolavola iny sori-dalana iny kanefa ankehitriny dia tadiavina tsipahina indray ka foronina daholo izao rehetra izao. Nohamafisiny fa tsy seza no hitolomana fa ny hiverenan’i Dada, sy ny hialana amin’izao krizy izao. Ankoatra izay dia nosinganin’ny Ben’ny tanànan’Ankaraobato, Ralaiseheno Guy Maxime ny momba ny miaramila sy ny politika.
Raha ny tokony ho izy, araka ny fanazavana dia rafitra mpanatanteraka ny fanapahan-kevitry ny sivily ny miaramila ary tsy tokony hijabaka amin’ny politika. Ao anaty rafitra demokratika indray dia miainga amin’ny tenieran’ny vahoaka ny fanapahan-kevitra, anisan’izany ny fifidianana. Faniriana, hoy i Guy Maxime ny tsy hisian’ny miaramila hanao politika intsony eto. “Aoka ho anatra ho anareo ny taona maro nifandimby. Mila hatsaraina koa ny rafitra hifampifehezana eo amin’ny miaramila” hoy izy, ka mba tsy ho sakana amin’ny fampiharana ny sori-dalana izay fanapahan-kevitry ny sivily ny miaramila malagasy. Momba ireo kandida natolotry ny ankolafy ho an’ny governemanta ho avy eo kosa dia nambarany fa tsy maintsy manaja ny fahefana nampindramin’ny vahoaka azy izy ireo ary vonona hanara-maso ny asa sy ny fanapahan-kevitra ataon’ny minisitra tsirairay ny ankolafy. Dia samy miandry ny fotoana hahaterahan’ity governemanta Beriziky ity izany ny rehetra. Tsy tokony hihoatra ny 17 novambra izany. Araka ny fantatra dia ho tonga eto ny alarobia izao ry zareo Troika, raha tsy misy ny fiovana.
Nangonin’i Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.