Nizara roa miavaka tsara ny hetsiky ny ankolafy telo, ao anatin’ny HMSM na “Hetsika Miaro ny Satan’i Maputo”, izay namory vahoaka tao Toamasina ny faran’ny herinandro teo.
Ny sabotsy andro voalohany dia ny fihaonana manokana tamin’ireo “cadres” sy ireo vondrona sy antoko ary fikambanana politika samihafa, notontosaina tao amin’ny trano fandraisam-bahiny “Frederic Hotel”. “Aiza ny lalana hivoahana amin’ny krizy ?”. Izay no lohahevitra nentina nanazavana ny zava-misy sy ny anton’ny olana, nataon’i Manoro Régis nandritra ny 45 minitra teo. Miisa folo raha fintinina ny mahatonga ny olana goavana misy ankehitriny ity, ka anisan’izany “ny tsy fisian’ny andrim-panjakana eken’ny rehetra, ny fahambangan’ny lalàna fototra, tsy misy filaminana ara-politika, ny famoretana, maro ny gadra politika sy an-tsesi-tany ... ary misavoritaka ny foloalindahy”.
Nalalaka ny fametraham-panontaniana sy ny fanakianana, izay nahazoana valiny avy avokoa. Tsotra ny namalian’ireo firehana telo izany dia ny fampiharana ny M.A.P 2010 na ny “Maputo, Addis Abeba, Pretoria” ihany no vahaolana tsara indrindra sy mifanaraka amin’ny filozofia Malagasy ary efa nifanaovana sonia sy nifanekena tamin’ny fifampidinihana ihany koa ary eken’ny Malagasy maro an’isa sy ny vondrona iraisam-pirenena misy antsika. Hita ao ny rafitry ny andrim-panjakana mazava hidirana ao anaty tetezamita tena izy sy ifanarahana, ary ilay komity manokana momba ny fampihavanam-pirenena izay hamaritra ny fomba rehetra hisian’ny fitoniana ara-politika sy ny firosoana amin’ny fifidianana hivoahana amin’ny krizy. Nahitsy ihany koa ny tenin’ireto mpanao politika ireto, “raha tsy mahavita Rajoelina dia tokony hiala fa potika ny firenena sy ny vahoaka ao aminy” araka ny nambaran’i Lalatiana Ravololomanana, izay nohamafisin’ny senatera Ipirina Jean de la Croix sy Tabera Andriamiarantsoa. Ny an-dRasamimaka Mahefalahy kosa dia nolazainy fa “nandamoka iny ny ‘plan B’ ka raha izaho i Andry Rajoelina sy ny ekipany dia miala an-daharana raha tsy hiaraka amin’ny maro ihany”. Nitohy tao amin’ny Stadium Barikadimy, ny hetsika omaly. Ireo nifandimby nandray fitenenana tao dia nanamafy ny tokony hialan’i Andry Rajoelina rehefa tsy hanaraka sy hampihatra ny Maputo izay efa tinapaky ny ankolafy efatra. Tetsy an-danin’izany dia nandrahona ny hanangana ny governemantany ny any Toamasina raha miziriziry ny hanangana ny azy i Andry Rajoelina. Ny Profesora Zafy raha niditra an-tariby tany an-toerana dia nanamafy ny tokony hirosoana amin’ny fampihavanam-pirenena. Tonga tany Toamasina ihany koa i Fetison Rakoto Andrianirina sy Mamy Rakotoarivelo rehefa avy any Antsirabe ny Sabotsy. Nitondra ny hafatra avy amin’ny filoha Ravalomanana izy ireo, ary nanatsidika fa tokony ho amin’ny zoma izao ny Pretoria II. Tontosa ampilaminana ny fihaonana tao Toamasina. Nihatakataka lavitry ny toerana nifamoriana ny mpitandro ny filaminana.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.