Politique

Faha-70 taonan’ny raharaha 29 martsa Hiavaka ny fankalazana


  • Alatsinainy 30 Janoary 2017

Ny fiandohan’ny volana febroary dia hanomboka sahady ny fankalazana ny fahatsiarovana ny faha-70 taona nisian’ny raharaha 29 martsa 1947 na ny tolona nivaivay nanoherana ny fanjanahantany frantsay tamin’ny fotoan’androny.

Nandritry ny filankevitry ny minisitra farany teo no nananganana ny komity misahana ny fankalazana. Maro, araka izany, ny hetsika hampandraiketana azy ireo ahafahana manao izay hampiavaka ny fahatsiarovana. Anisan’ireny ny fampirantiana isan-karazany sy ny fifaninanana antsa an-kira. « 70 taona ny tolom-pahafahana. Mba hiampita ny fanilo, ny lasa tsy fanadino. ». Io moa no teny faneva iompanan’ity fankalazana ity ary tanjona amin’izany ny hamoa indray ny fitiavan-tanindrazana, indrindra amin’ireo tanora, raha ny fanazavana hatrany.

Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vondrona
  • Alakamisy 05 Novambra 2026

politika hafa miray

  • FitsarĂ na avo
  • Alakamisy 05 Novambra 2026

momba ny lalĂ mpanorenana

  • Fialan’ny Minisitry
  • Alarobia 04 Novambra 2026

ny MNDPT

  • Alain Mahavimbina
  • Alarobia 04 Novambra 2026

«Firenena manana politika

  • Governemanta
  • Alarobia 04 Novambra 2026

Niala ny Minisitry ny

  • Fakan-kevitra
  • Alarobia 04 Novambra 2026

momba ny fifidianana Havoaka ofisialy

Hijery ny tohiny
FTT