Nitety ny birao fiasana tompon’andraikitra ambony ao anatin’ny Fahefana avon’ny tetezamita ingahy Leonardo Simao, iraky ny mpanelanelana
Teny amin’ny ministeran’ny raharaham-bahiny Anosy, nihaona tamin’i Hippolyte Ramaroson ary teny Mahazoarivo ihany koa, nifampiresaka tamin’i Camille Vital. Teny Mahazoarivo no nilazan’ny Dr Simao tamin’ny mpanao gazety tonga teny fa dia tonga amin’ny famaranana ilay sori-dalana izy ireo, ary vita omaly tolakandro izany, araka ny nambarany, ka haroso hosoniavin’ny antoko politika samihafa amin’ity anio ity. Araka ny fantatra dia eny amin’ny CCI Ivato no hanaovana sonia rangopohy io sori-dalana io anio tolakandro. Rehefa vita izay dia azo irosoana ny fitsirihana sy fifantenana izay ho praiministry ny marimaritra iraisana, araka ny fanazavan’ny Dr Leonardo Simao hatrany teo am-pivoahana ny efitrano nihaonany tamin’i Camille Vital omaly. Fanao ny fitsidihana sy ny resadresaka, manodidina ny fizotry ny iraka ataony eto.
Na izany aza misy lafin-javatra vitsivitsy mba anaovana fanamarihana ihany. Voalohany, maninona no nisafidy ny toerana teny Mahazoarivo ingahy Simao nanaovana fanambarana andaniny hoe vita ny sori-dalana farany, ankilany haroso hosoniavin’ny mpanao politika anio izany. Azony natao tsara mantsy ny namory mpanao gazety tany amin’ny hotely itoerany etsy Antaninarenina, nanaovana izany mba hialana amin’ny fitanilana. Mazava eto ny resaka fa dia tsy nanaja ny fepetra faran’izay bitika tokony harahin’ny mpanelanelana amin’ny krizy ny tenany. Faharoa, raha nanontaniana ireo avy amin’ny ankolafy sy vondrona politika dia samy nilaza fa tamin’ny alalan’ny haino aman-jejry no nandrenesan’izy ireo fa hisy sonia rangopohy hatao anio alarobia. Ary tamin’ny fotoana nandrenesan’izy ireo izany aza dia tsy mbola nahazo ny dika mitovin’izany sori-dalana efa nofaranana izany izy ireo. Mazava koa eto ny raharaha, fa dia tsy nasian’ity iraky ny SADC ity hasiny ireo voakasika mivantana amin’ity fandaminana ny krizy Malagasy ity. Fahatelo, amin’ny telo ora tolakandro ny Dr Leonardo Simao no manaparitaka amin’ny mailaka ilay lazainy fa sori-dalana farany ka tonga eny am-pelatanan’ny ankolafy sasantsasany.
Mila fotoana ny fandinihana izany, indrindra fa tsy olona iray fa maro no miara-mandinika azy raha ho an’ny ankolafy sasany, ka amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny Dr Simao manery fa io no sori-dalana farany ? Mandika tsotra izao ny fenitra iraisam-pirenena amin’ny asa fanelanelanana ny krizy izany. Fahefatra, sarotra ary mila fitandremana fatratra ny fandaminana ny krizy eto Madagasikara. Sady mila fahatoniana ny fiatrehana izany no mila faharetana ihany koa. Mitaky fihaonana sy fifanakalozana matetika eo amin’ny mpifanandrina izany, mba hahitana ny marimaritra iraisana. Araka izany dia tokony hijanona ho elanelam-panahy ny mpanelanelana, ary mikaroka hevitra vaovao hatrany raha toa ka mikatso ny dinika. Araka izany dia tsy manana zo hanery na hanapa-kevitra manoloana iretsy mpifanandrina mivantana ny mpanelanelana. Tsy izay anefa no mitranga fa ny Dr Leonardo Simao tsotra izao no manapaka fa hatao anio ny sonia. Fifanojoan-javatra sa mamaly ny fanerena nataon’ireo mpomba an-dRajoelina nivory teny Ivato tamin’ny heriny anio ity fanapahan-keviny ity. Sa maika hody any Mozambika izy ka dia ataony kimaimaika any avokoa ny zava-drehetra ?
Raha jerena ankapobeny ny voarakitr’ilay sori-dalana dia fanamafisana an-dRajoelina Andry ho filohan’ny tetezamita sy ny fahefana ananany, fanitarana ireo andrim-panjakana misy fa tsy fanavaozana araka ny notakian’ny maro, ary tsy fahafahan’Atoa Marc Ravalomanana miverina eto Madagasikara raha tsy efa hita fa tony ny rivotra politika sy milamina ary azo antoka ny fandriampahalemana eto. Hentitra ny Ankolafy Ravalomanana fa lavin’izy ireo io lazaina fa sori-dalana farany io, ary tsy hanao sonia izy ireo. Toy izay koa ny Ankolafy Zafy Albert. Ho fantatra anio ny fanapahan-kevitry ny ankolafy Ratsiraka. Vondrona politika valo, teraka rehefa nipatitaka ny ankolafy Rajoelina, no fantatra fa hiroso ary ho avy eny Ivato. Koa raha hisy sonia, dia toy izay efa nitranga tamin’ny 7 janoary 2010, 02 febroary 2010, 5 martsa 2010, 13 aogositra 2010, 18 septambra 2010 ary 02 martsa 2011 ihany izany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.