Aleo tsy miteny aloha ny firenena malagasy, hoy ny filohan’ny parlemanta Tiako I Madagasikara, ny depiote Fetra Ralambozafimbololona, raha ny mikasika ny ady ifanandrinan’I Rosia sy Okrainina, satria tsy zakan’ny traikefan’ny fitondram-panjakana izany.
Sarotra ilay izy, hoy izy, satria resaka jeopolitika. Isika firenena bitika kely mbola mivelona amin’ny fanampian’ireo firenen-dehibe rehetra izay miditra mivantana na an-kolaka ao anatin’io fifandonana io. Aleo tsy manaiky sarihin’ny olona na atao hoe mpiara-miombon’antoka aza. Samy kendan’ny nasesiky ny tanany na ny andaniny na ny ankilany. Raha ny amerikanina milaza foana fa tokony hampanjakaina ny demokrasia, ny falalahana maneho hevitra sy ny rehetra no milaza azy ho toy ny zandarin’izao tontolo izao dia toy ny tsy diso fa manana ny rariny koa ny rosianina raha miaro ny firenena sy ny vondrona misy azy na dia fantatra fa tsy nisy intsony aza ny ady mangatsiaka teo amin’ny OTAN sy ny vondron’ireo firenena tatsinanana teo aloha. Aleo tsy maneho hevitra ny filoham-pirenena satria tsy ho zakan’ny lohantsika sy ny lohan’ny mpitondra ny mety ho fiantraikan’io. Manomboka izao ny fiakaran’ny vidim-piainana ao Rosia ary hisy fiantraikany aty amin’ny firenena madinika miantehitra amina fanampiana io. 102 dolara izao ny barilin-tsolika. Tsy nisy Covid 19 rivodoza aza teto tsy voavaha ny olana ka maika fa hiditra amin’izany? Ho mavesatra kokoa ny fiantraikan’io noho ny tsy fahaizan’ny mpitantana mitondra ka aza mijabajabaka maneho hevitra eo sao hampidi-doza ny malagasy. Fantatry ny fitondram-panjakana ny vahaolana naroson’ny tekinisianina raha hiresaka ny fiatrehana ny mety ho olana aterak’io ady io amin’ny resaka famatsiana angovo toy ny jiro sy rano isika. Nisy fifanarahana efa nataon’ny filoham-pirenena, Marc Ravalomanana, tamin’ny 15 taona lasa saingy tratran’ny fanonganam-panjakana moa dia niverina ny banky eoropeanina momba ny famatsiam-bola. 47 tapitrisa Euro io ary ny atsasany nindramina fa fanampiana no atsasany. Tamin’izany no efa nampahafantarina hoe izao no fahasimban’ny fantsona sy ny fahasimbana rehetra dia izao no anarenantsika azy saingy tsy nijery lavitra moa ny fitondrana ankehitriny. Tsy misy ho antenaina amin’ireo nefa ireo tsy hihaino koa, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.