Mazava ny hafatra tamin’ireny zava-nitranga teny Ivato ny sabotsy 19 febroary teo ireny. Tsy mila mpanongam-panjakana !
“Dada, Dada ihany, Dada hatrany !”, izay no ambentin-tenin’ny Vahoaka ana hetsiny nirohotra teny tamin’io andro io, izay hita fa vonona amin’ny zava-mitranga tokoa raha ny fijery azy. Mazava ny hetahetam-bahoaka. Mitaky ny fiverenan-dRavalomanana Marc eto an-tanindrazana ny Malagasy, fa fefiky ny krizy ary leo tsindry hazo lena ka mitaky fahafahana. Filoha voafidim-bahoaka tamin’ny fomba demokratika rahateo i Marc Ravalomanana, ary efa nanaporofo fa afaka nampandroso haingana an’ity Madagasikara ity. Nitsangana tetsy sy teroa, sady nanatona ny vahoaka, ny sekoly, ny CSB.
Vita ny lalana, tohodrano. Tonga ny zezika, masomboly, fanafodim-biby, ary tsara vidy ny vokatry ny tantsaha izay nampirisika azy ireo hamokatra. Tafakatra 7,1% ny fisondrotry ny harin-karena faobe, roa taona lasa izay. Hentitra izy tamin’ny fiarovana ny tontolo iainana ... Niaiky ny zava-bitany sy ny hakingany ary ny fahaiza-mitarika ananany izao tontolo izao. Nirohotra ny vahiny tonga hampiasa vola teto. Maodely tamin’ny lafiny maro i Madagasikara, ary fanta-poko fanta-pirenena fa fihaonana goavana iraisam-pirenena roa misesy no efa raikitra fa hatao teto tamin’ny nitondrany. Resaka halako bika tsy tiako tarehy no naminganana azy. Nofitahina tamin’ny filazana fa namidin-dRavalomanana tamin’ny vahiny ny tany sy ny hoe sady manao didy jadona no manao ampihimamba ny toekarena, Antananarivo dia nandeha anjambany teny amin’ny arabe niaraka tamin’ny mpanongam-panjakana, nampanantena fiovana taminy.
Krizy tsy manam-piafarana anefa no naterany, roa taona izao. Ramatahora, fandrobana, fanaovana tantely afa-drakotra ny harem-pirenena, fanomezana vahana ny vahiny amin’ny fihariana, didy jadona, fampiasana hery famoretana, fisamborana sy famonjana izay rehetra tsy mitovy hevitra amin’ny mpitondra, kobaka am-bava, tsy fandriampahalemana, fitsabahan’ny fanjakana amin’ny raharahan’ny tsy miankina, fanosihosena ny zon’olombelona sy ny demokrasia … no manjaka eto amin’ny firenena. Miantso vonjy ny vahoaka. Ireny tamin’ny sabotsy ireny no porofo fa mila raiamandreny marina, afaka mitsinjo azy sy hanafaka azy amin’izao fahoriana tsy roa aman-tany izao ny Malagasy. Na eo aza ny fahasahiranana sy ny ramatahora samihafa, tsy nahasakana ny vahoaka nirohotra teny Ivato izany, hitsena ny filoha Ravalomanana sy niantsoany ny fodian’ny amiraly Ratsiraka hiverina malaky koa. Nangorompotsy Ivato sy ny manodidina. Feno olona sy fiara tamin’ny sisin-dalana hatrany Talatamaty sy Ambohibao iny.
Olona ana hetsiny, avy amin’ny lafivalon’ny Nosy no teny, nanao hetsika am-pilaminana, izay nampihetsi-po ny maro tokoa. Noporofoiny fa mpanara-dalàna izy ireo. Na fiara izay aza tsy potika, na trano fivarotana iray aza tsy vaky … Marina fa tsy tanteraka ny fanirian’ny maro, dia ny hahita ny filoha Ravalomanana tonga an-tanindrazana. “Tsy foana akory ny fanantenana, ary vao mainka aza mampiredareda ny afom-pitiavan-tanindrazana sy ny hetsika fanavotam-pirenena izao antsojay atao amin’i Dada izao”, hoy ny hiakan’ireto vahoaka ana hetsiny teny Ivato tamin’io fotoana io. Miharihary amin’ireny fa tsy azo tsinontsinoavina ny tanjaky ny filoha Ravalomanana. Ny vatan-tenany no tsy eo fa ny mpanohana azy mbola maro. Tsy mahagaga raha raiki-tahotra ny ankamaroan’ny mpitondra FAT tamin’iny sabotsy iny. Tao ireo efa namindra entana sy nanafina ny fiara tany an-toeran-kafa satria tsy ho hay tohaina ny herim-bahoaka.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.