Raiamandreny iray 81 taona tsy tapaka mihitsy tamin’ny famonjena ny tolona an-kianja tao amin’ny Magro no nodimandry ka nalevina ny sabotsy teo.
Toy ny mahazatra dia nisy ny famangiana manokana ny fianakaviana, fanao tsy tapaka eny an-kianja, omaly, tetsy Behoririka ary iray minitra fahanginana ihany koa. Ankoatra izay dia voaresaka an-kabary fifanentanana tetsy amin’ny kianjan’ny Finoana koa tamin’io omaly io ny resaka fako misavovona eto Iarivo. Notsiahivin’i Nenifara fa tsy mbola nahitana ohatra izany hatramin’izay ka atahorana ho avy hihanaka indray ny valanaretina. Mahatsiaro ny filoha Ravalomanana ny olona amin’izany, hoy i Guy Roger, ary madio tanana izy, tsy mila “aministie” matoa mitaky ombieny ombieny ny fiverenany ny vahoaka. Samy niresaka ny fitsabahan’ny Frantsay amin’ny raharahan’i Madagasikara avokoa ireo mpandaha-teny nanaraka ka nisongadinan’ny fitondran’ny fianakaviana Malagasy maro takaitra noho izany, ny fitsentsefana ny Malagasy tamin’ny ankapobeny. Tonga hatrany amin’ny vaovaom-pifidianana tany Senegal nisian’ny fihorakorahan’ny vahoaka ny kandidà Abdoulaye Wade mpiray tendro amin’ny Frantsay mihitsy ny resaka tamin’ny ankapobeny.
Vaovao nampihoraka ny mpitolon’i Magro Behoririka ny filazan’i Nini (Antsirabe) fa voaambin’ny vahoaka soa aman-tsara i Tojo Ravalomanana any Vakinankaratra. Tsy ilaintsika ny “amnistie” avy amin’ny mpanongam-panjakana, hoy ny CST Login izay nidera manokana ny mpitolon’ny ara-dalàna nanamontsana ny zava-bita tsara indrindra maneran-tany teo amin’ny faharetan’ny fitolomana nitaky ny fiverenan’ny filohany, efa feno telo taona katroka tsy tapaka afa-tsy alahady, ary tamim-pomba nilamina. Tokony haka tahaka ny filoha Ravalomanana avokoa raha tena lehilahy ireo mihevitra ny hirotsaka hofidiana ho filoham-pirenena fa ny soa fianatra. Sa hangalambato no hijanonana ao anaty governemanta ? Tsy manam-piniavana hamaha ny krizy ny mpitondra ankehitriny, hoy ny CT Mamy Tiana Ravelonanosy, nefa ny maripana efa miakatra izay tsy izy (fitakiana fialana minisitra, fitokonana etsy sy eroa, fiakaran’ny vidin-tsolika atsy ho atsy …).
Famelan-keloka faobe ihany no vahaolana, hoy ity CT ity, mba tsy ho lalana hifandimbiasana ny mankany am-ponja. Mila fifamelana ny fidirana anaty vanim-potoanan’ny karemy tahaka izao ainantsika izao, hoy ny CT Henri Randrianjatovo ary izaho dia efa namela ny heloky ny kolonely Charles. Mba mitondra fitoniana kely ny andro mangatsiatsiaka tahaka izao, hoy ny CT Zafilahy Stanislas, na dia mavesatra aza ny takaitra nentin’ny rivodoza izay mampitondra faisana ny vahoaka noho ny vava tsy ambina nataon’i Andry Rajoelina tao an-dapa tamin’ny fiandohan’ny taona momba azy io ka tsy nitondra fitoniana ho an’ny FAT mihitsy ity taona vaovao ity. Tonga saina na dia ireo tsy miloa-bava aza, hoy izy, fa mila ny filohany Marc Ravalomanana i Madagasikara. Ny fiverenany ihany no hampody ny fitokisana. Tsy mety intsony ny fametrahana ny ho avy amin’i Andry fa miha mahantra araka ny tetikadin’ny Frantsay ny Malagasy. Ny tanjony dia hampahantra antsika, amin’izay tsy afaka mitroatra intsony fa reraka amin’ny fitadiavana.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.