Politique

Constant Raveloson Mitady hisoloky fankatoavam-bahoaka Rajoelina


  • Alarobia 29 Febroary 2012

Anio 29 febroary no fe-potoana nomen`ny Troika ny fitondrana tetezamita hametrahana ny fepetra fitoniana eto amin`ny firenena hivoahana amin`izao krizy izao.

 Ao anatin`izany ny tokony ho nandrafetan`ny fahefana mpanatanteraka volavolan-dalàna  momba ny amnistia ka nodinihana sy nolaniana teo anivon`ny fahefana mpanao lalàna. Hatreto anefa dia tsy mbola misy tokotaniny izany. Manana ny heviny manokana momba ny amnistia Raveloson Constant, mpitari-tolona eo anivon`ny Mfm  sady mpikambana eo anivon`ny kongresin`ny tetezamita. Hozaraina amintsika ny fomba fijeriny io resaka amnistia io.

 

Tia Tanindrazana (TT) : Aiza ho aiza ny resaka amnistia eo anivon`ny kongresy ? 

 

Raveloson Constant (RC) : Voalohany indrindra dia mila fafana ao an-tsaina ny hoe amnistia dia mira famotsoran-keloka na famafan-keloka. Diso be ny hevitra voizina ankehitriny hoe io karazana amnistia io no takiana amin`izao vanim-potoana sy zava-misy eto amin`ny firenena izao. Famerenana sy fankatoavana ary fanekena ny famerenana ny zo feno tsy hanimbinan`ireo olona nohenjehina satria naongana no amnistia tokony horesahana. Efa misy volavolan-dalàna vitsivitsy mandehandeha ihany any saingy tsy mifanaraka amin`izany. Misy iray izay manakaikikaiky azy saingy tsy tena mbola izy. Mampidi-doza raha amnistia famotsoran-keloka no handraisana azy satria lasa toy ny hoe ny avy aty amin`ny legalista indray no manan-kitalahoana famelan-keloka. Tsy izay mihitsy anefa.

 

T T : Inona no mahatonga anao miteny fa io karazana amnistia io no takiana amin`izao ?

 

RC : Fanonganam-panjakana no natao teto. Ny zava-nisy ka iainana eto mandrak`androany dia vokatr`izay fanonganam-panjakana izay avokoa. Ny 26 janoary, ny 7 febroary 2009 dia ao anatin`izany paikady fanonganam-panjakana izany avokoa. Ny olona noresena tamin`ny fanonganam-panjakana dia namoronana heloka. Nampiasaina ny fitsarana, nisy koa ny fampiasana hery famoretana. Nisy ny maty, ny naratra, ny voasambotra tamin`ny fomba tsy ara-dalàna. Olona tsy manana fahefana ho amin`izany, toy ny teo anivon`ny Cnme, ny Fis, ny Dst no nanao ny fisamborana tsy ara-dalàna izay fantatra fa henjehin`ny fehezan-dalàna famaizana (code penal). Ny zava-misy raha tsorina dia namoronana fanamelohana ara-pitsarana ny naongana kanefa fifanolanana politika. Ao anatin`ny fanonganam-panjakana daholo izany, amin`izay koa tsy afaka mirotsaka hofidiana ny olona naongana. Io amnistia io dia fampitsaharana izany rehetra izany.

 

TT : Amin`ny fotoana inona kosa ary no ampiasana na ilana ilay amnistia mahazatra dia ilay hoe famotsoran-keloka ?

RC : Ny amnistia famotsoran-keloka dia ho an`ny olona niantoka ny fanonganam-panjakana. Ity resaka ity anie dia tokony ho vita anio 29 febroary e ! Tsotra be raha te hanao ny avy amin- dRajoelina. Tsy entina amin`ny tian-kano tsy tian-kano fa atsahatra daholo ny fanenjehana ireo naongana. Ny mpiray firenena matoa nametraka an-dRajoelina hitarika ny tetezamita dia karazan`ny nametraka fiovana tokoa satria tsy noraisina tamin`ny hoe mpanongam-panjakana izy. Raha ny tena izy dia tsy voasoratra mihitsy hoe tsy azo henjehina izy. Azo henjehina tokoa izy ary izy no mila ilay amnistia famotsoran-keloka satria izy no nanitsaka ny lalàmpanorenana, nandoro fananam-panjakana, fananan`olona, namono olona, nandoro olona. Ireo heloka ireo dia anisan`ireo tsy mahazo famotsoran-keloka raha ny fehezan-dalàna famaizana. Raha ny zava-misy dia Rajoelina mihitsy no mpanohitra nanomboka tany Maputo io. Avy aminy foana ny mampikatso zavatra. Ny olona notendreny no manaotao foana, mampitarazoka ny famahana ny krizy. Ireo lazaina fa mpanohitra dia ny ankolafy Ravalomanana indray no miasa be.

 

TT : Tsy karazan`ny mikolokolo ny tsy maha maty manota ve izany hoe fanomezana amnistia famotsoran-keloka ireo nandroba fahefana, namono olona ?

RC : Raha ny marina anefa ary raha te hanenjana isika dia tokony hotsaraina Rajoelina sy ny namany saingy raha te hamitrana firenena dia tsy maintsy izay no lalan-kizorana. Ny vahoaka no tokony hitaky. Ny amnistia dia hampitsahatra ny fandranitana

TT : Ahoana ny fahitanao ny zava-misy na hitranga eo ?

RC : Manantena hanao sarintsarim-pifidianana Rajoelina. Amin`izay dia izy tenany ihany no ho eo. Misoloky fankatoavam-bahoaka izy. Tsy hisy hanaiky izany.

 

Nangonin`i Soa

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT