Politique

Benja Andriamihanta Milamin-tsaina izahay


  • Alatsinainy 02 Aprily 2012

Resaka tsy afaka am-bavan’ny maro ary ho fototry ny adihevitra eny anivon’ny Parlemanta manomboka amin’ity herinandro ny amnistia. Niantso an’Atoa Andriamihanta Fanomezantsoa Benjamina, mpitsara, mpahay lalàna, ny Tia Tanindrazana hanazava ny hevitra fototr’izany amnistia izany, araka izao manaraka izao.

 Tia Tanindrazana (TT) : Inona marina ny atao hoe amnistia ?

Andriamihanta Fanomezantsoa Benjamina (Benja Andriamihanta) : Fanontaniana teknika moa io ary dia tsy hasiantsika resaka politika mihitsy aloha fa dia valiny teknika fotsiny. Koa ny amnistia dia azo adika tsotra hoe lalàna famotsoran-keloka na famotsoran-tsazy na fampiatona fanenjehana araka ny lalàna. Mety ho araka ny lalàna famaizana na koa ara-pitsipi-pifehezana.

Mazava izany fa lalàna io. Ny lalàna, araka ny famaritana eken’izao tontolo izao dia heverina mandrankariva fa «expression de la volonté generale et commune». Ny lalàna rehetra izany dia mifototra amin’ny fotokevitra hoe «expression de la volonté générale», izany hoe  tsy hanavahana olona na hanomezana vahana na tombontsoa manokana sokajin’olona. Koa ny lalàna tsy manaraka io dia tsy manarapenitra, araka ny fiteny ankehitriny. Ny tiana holazaina sy hohamafisina izany dia fandrebirebena olona sy fiheverana ny rehetra ho dondrona na fandemen-tsaina ny filazana etsy sy eroa hoe amnistia tsy natao ho an-dranona na ranona no natao sady tsy misy hanaiky izany eto.

Faharoa : rehefa manao lalàna iray dia ny «esprit» na lalantsaina mitondra azy hatrany no tsy maintsy mibahana vao ny soratra ary ho an’ny mpikirakira lalàna rehetra dia mahalala ny hoe «l’esprit d’abord, la lettre après». Koa raha sanatria misy olana ny fampiharana na ny fahazoana azy dia eo no ampiasaina ilay teknika hoe inona marina ny «esprit» tian’ny mpanao lalàna hasongadina.

Ka raha ity lalàna momba ny amnistia malaza ity no resahana dia hoe dingana voalohany ho any amin’ny fampihavanam-pirenena izy ary izay rahateo ny anarany hoe «amnistie pour la réconciliation nationale» koa raha tsy manaja izay «esprit» na lalantsaina izay dia tsy izy satria tsy ho fampihavanana fa ho fampisarahana.

Ny tena mampiavaka ity amnistia atao ity koa moa dia nisy lalàna fototra nanery ny tsirairay ary nekeny tamin’ny 17 septambra 2011, hanao ny lalàn’ny amnistia dia ny lalàna 2011-014 na tondrozotra izay mamaritra sahady ny «esprit»-n’ilay lalàna sahady. Mazava io koa fa raha mifanohitra amin’io koa dia tsy izy. Izay «esprit» izay moa dia hoe «amnistie large» na azo adika hoe amnistia faobe mba hahafahan’ny olom-pirenena Malagasy rehetra tsy ankanavaka mitondra ny anjara birikiny eo amin’ny fivoahana amin’ny krizy. Na izany aza tsy hoe izay nanao heloka rehetra dia hahazo io fa voafaritra mazava araka ny lalàna 2011-014 hoe ny fanenjehana misy hifandraisany mivantana tamin’ny tranga politika 2002 sy 2009 ihany.

TT : Ahoana ny fifandraisany amin’ny lalàna iraisam-pirenena ?
Benja Andriamihanta
: Mila fanazavana tokoa io ankehitriny satria be loatra ny resabe etsy sy eroa.

Voalohany : tsy misy firenena mitokamonina intsony, indrindra mikasika ny fitandroana ny zon’olombelona. Isika eto Madagasikara dia nanoratra mazava tsara tao anatin’ny lalàmpanorenana nisy teto fa dia mandray tanteraka ny fifanarahana irasam-pirenena nosoniaviny ho anisan’ny lalàna velona eto amin’ny firenena.

Aoka anefa ho fantatry ny rehetra fa rehefa manaiky “Convention internationale” na fifanarahana iraisam-pirenena iray ny firenena iray dia manaiky fa hampihatra tsy misy fepetra hatrany amin’ny andininy voalohany voalohany ka hatrany amin’ny andininy farany tsy misy latsaka na fidifidiana na dinganina io fifanarahana io. Ary ny zava-dehibe dia manana hery ambonin’ny lalàmpanorenana io fifanarahana na “Convention” io ary azon’ny olom-pirenena rehetra avoitra eo anatrehan’ny fitsarana. Manana didy fakan-tahaka na «jurisprudence» momba izany isika. Ny tena «Convention» resahana eto dia ny hoe «Pacte international relatif aux droits civils et politiques» na fifanekena iraisam-pirenena mikasika ny zo sivily (olom-pirenena) sy ara-politika. Mazava ny voalazan’ny andininy faha-14 ao momba ny hoe : fitsarana mahaleotena (justice indépendante), mpitsara tsy mizaha tavan’olona sy tsy mitanila (tribunal impartial établi par la loi) ary fitsarana mampitovy lenta ny mpifanandrina, sy manaja ny zon’ny fiarovana (procès équitable). Koa na inona na inona fiampangana itsarana olona iray na iza izy na iza dia tsy maintsy hajaina ireo fenitra ireo. Manankery io ho an’ny rehetra mandalo fitsarana, indrindra nandritry ny krizy voalaza etsy ambony satria dia iaraha-mahita ny fomban’ny fitsarana teto.

TT : Ahoana ny fahitanao ny fanehoan-kevitr’i Andry Rajoelina mikasika ny amnistia farany teo ?
Benja Andriamihanta
: Ny azoko ambara dia hoe mifanipaka ny filazana hoe tsy manaiky izao sy izao aho sy ny hoe anjaran’ny Parlemanta ny fanapahana farany ny atao amin’ny amnistia fa hitako fa fampifangaroam-pahefana izany ary tsy fihetsika demokratika. Na inona na inona lazaina dia mbola olona voampanga ny filoha Ravalomanana fa tsy voasazy satria tsy misy didim-pitsarana raikitra io ka tsy mahataitra anay ankolafy Ravalomanana. Hafa ny hoe voampanga ary hafa ny hoe voaheloka.

Fa izahay aloha dia milamin-tsaina satria ho anay dia ny andininy faha-16 ao amin’ny tondrozotra ihany ampiharina dia vita. Tsy misy antony hanaovana famotsoran-keloka ihany koa raha mbola hanohy fanenjehana ara-pitsarana. Izay rahateo ilay hevitra fototry ny amnistia araka ny tondrozotra.

Nangonin’i Jean D.

Sary : Andriamihanta Fanomezantsoa Benjamina

Encadré :

Mpikambana eo anivon’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana mandritra ny tetezamita na CENIT, avy amin’ny ankolafy Ravalomanana i Benja Andriamihanta. Tsy manakana azy tsy haneho hevitra politika ny maha mpikambana azy ao, ary izay no tsy maha mpikambana ao amin’ny biraon’ny CENIT ireo solontena avy amin’ny vondrona na ankolafy politika. Rehefa fifidianana kosa ny resaka, dia tsy maintsy manaja ny tsy fitanilana sy ny tsy fiandaniana izy ireo.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT