Politique

Antenimieram-panorenana Niova hevitra indray i Andry Rajoelina


  • Zoma 07 Mey 2010

Raha datin’ny fifidianana depiote no nandrasana tamin’ny CENI, dia datin’ny fitsapan-kevibahoaka momba lalàmpanorenana indray no nambarany fa hatao ny 12 aogositra 2010 raha nangataka taminy ny governemanta araka ny taratasy nalefan’ity farany ny 05 mety 2010.

Mazava ny resaka, nivadika indray i Andry Rajoelina sy ny FAT (Fahefana Avon’ny Tetezamita) tarihiny. Fifidianana depiote handrafitra ny Antenimieram-panorenana hanao ny lalàmpanorenana no nataony angoa-tenda fa tsy maintsy hirosoana. Fitsapan-kevi-bahoaka momba ny lalàmpanorenana indray anefa no hatao mialoha. Vita hatreo koa izany ny nofinofin’ireo mikasa hilatsaka hofidiana depiote handany ny lalàmpanorenana. Ka moa tsy lany andro fotsiny ireo izay nasaina tamin’ny atrikasa Teny Ifampierana teny Ivato ny 4 sy 5 martsa 2010 ! Araka izany dia mety ho very fotoana fotsiny ihany koa ireo nilahatra tany Iavoloha omaly hakan-kevitra ny amin’ny sori-dalana hivoahana amin’ny tetezamita. Ny governemanta Vital mantsy aty ambadika efa mandamin-dresaka fa hanao referandaoma ary toa efa mandefa hafatra fa hijanona amin’ny toerany. Mbola hitohy. 

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Minisitry ny Fitsarana
  • Alarobia 22 Aprily 2026

« Niray tetika tamin’i Kol.

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Talata 21 Aprily 2026

«Fotoana hihainoana ny rehetra izao!»

  • ANTOKO FANOROLAHY-
  • Talata 21 Aprily 2026

FANAVAOZANA TENA IZY Ataovy aloha ny fifidianana

  • MADAGASIKARA (1991 – 2026)
  • Talata 21 Aprily 2026

Misy tsy mety ao matoa mikorontana isaky ny mihetsika

  • Hary Razafindrazaka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

"Ireo MAPAR anaty fitondrana

Hijery ny tohiny
FTT