Ankoatra ny olana ara-politika, toekarena, sosialy,… dia isan’ny fahavalon’ny Fanjakana Rajoelina ihany koa ny fotoana.
Raha mieritreritra ny hirotsaka hofidiana Filoham-pirenena ny novambra 2023, herintaona sy tapany eo sisa fe-potoana hananany ahafahana manatanteraka ny veliranony. Sarotra anefa izany, raha tarafina amin’izay 3 taona sy tapany lasa izay sy ny zava-misy ankehitriny. Kofona tanteraka i Andry Rajoelina, Fanjakana mikorontan-dava, asavoritaky ny kolikoly sy “scandale”, tsy mahavaha olana,… Toa tapi-dalan-kaleha tahaka ny sokina nanani-bato, ka mizotra amin’ny endrika propagandy mialohan’ny fotoana, mamory olona amin’ny alalan’ny artista malaza sy fanetsehana ireo rafi-panjakana samihafa, mampiasa ny fahefam-panjakana sy ny volam-panjakana amin’ny tombotsoa politika,... Na hampanantena tahaka ny inona aza anefa, sarotra ny hahalany an-dRajoelina ho Filoha indray amin’ny 2023. Ny Filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina aza nahavita nampiakatra 5,4% ny harin-karena aza, kanefa 8% no azony, mainka fa ity -7% ity? Tamin’ny 2018, efa fandeferana politika tsy hisian’ny ra mandriaka no nampipetraka azy teo, saingy tsy marin-toerana mandrak’ity ny androany. Ny programa nampanantenaina nigebona, tsy arakaraka ilay hoe: ny hahatongavana eo no ela, hany ka na ny mpomba ny fitondrana aza mahita, fa efa tsy alehany intsony ilay Fanjakana. Ny hiteny hoe: tsy niasa sy tsy nanao zavatra ny Fanjakana, dia diso tanteraka, fa ny zavatra nampanantenaina sy ny vokatra azo kosa tena mifangarika tanteraka ny fotoana mandeha. Ny vina mitafotafo, fa ny hoenti-manana manify dia manify. Mila hatrany amin’ny 14 miliara dolara raha kely indrindra, ohatra, amin’ny fanatanterahana ireo tetikasa goavana: làlam-pirenena (RN10, RN12A, RN13,…) izay nambaran’ny Tale Kabinetran’ny Repoblika ny 14 janoary 2021 fa 5 miliara dolara amin’izany. Mila 3 miliara dolara hanaovana ny làlam-be migodana Antananarivo-Toamasina. Ny Tanamasoandro fandravonana ny tany fotsiny dia efa mila 725 tapitrisa dolara,… 4 miliara dolara, raha raisina ampitovitoviana amin’ireny any ivelany ireny. Aiza no ahitana an’izany ao anatin’ny herintaona sy tapany.
TOFOKA NY SEHATRA MARO
Fitakiana etsy, fitokonana eroa, ka saika ahitana an’io ny sehatra maro. Ny fampianarana ambony mifoha ny fitakian’ny mpampianatra mikaroka, izay hanao oniversite maty mandritra ny roa andro mihitsy ny 11-12 aprily izao. Vola efa an-taonany tsy voaloa,,… Ny olana ara-tsosialy mitombo! Ny tontolon’ny fitaterana efa nandrahona hampiakatra saran-dàlana ny taksibe raha sanatria miakatra ny vidin-tsolika, ny fiarakaretsaka eto Antananarivo manozongozona ny ben’ny tanàna amin’ny toerany. Ny sehatry ny fizahantany izay isan’ny ain’ny toekarena efa roa taona izao no nitsipozipozy ary toa mbola lalaovin’ny fitondrana mandrak’ankehitriny na efa manodidina ny 3900 miliara Ar aza io sehatra io milaza tsy handoa ny hetra ho an’ny fotoana tsy niasana. Ny Diplaomasia, afa-baraka amin’ny mpamatsy vola satria tsy nangarahara ny nitantanana ny famatsiam-bolan’ny coronavirus 444 tapitrisa dolara (1818 miliara Ar). Tsy mahatoky intsony ny olona, ka hivim-pamatsiana sisa mandeha. Na mety hahita mpampiasa vola misy tambiny toy ny harem-pirenena aza sarotra ho an’ny olona ny hanatontona ny volany, kanefa ilay Fanjakana tsy marin-toerana ary baraingo ny hahatafajanonany eo. Tsy marin-toerana ny tontolon’ny fandraharahana satria tadiavin’ny mpitondra ho any amin’ireo orinasa matanjaka no hangorom-bola amin’ny alalan’ny hetra, hany ka ny sasany ambony noho ny renivolan’ny orinasa ny hetra takiana. Ny fiainana ara-tsosialy ambony ambany, vidim-piainana midangana andro aman’alina: lafarinina 2600Ar/kg lasa 4000Ar, savony novidiana 500Ar efa 1000Ar,… Olana hafa ihany koa ity delestazy mahery vaika ity indray! Fahantrana sy fihemorana no hany misongadina, leo balarora ny Malagasy !
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.