Politique

Andriamihaja Jean René «Tsy natao hiaina anaty loto sy fako izahay»


  • Talata 15 Novambra 2011

Manomboka mampiaka-peo ny olon-tsotra manoloana ny filazan´Atoa Rakotovao Mariot, PDS-n’ny Kaominin´i Toamasina renivohitra, fa mihodina sy miasa ny Kaominina tantanany nefa hita fa mihitsoka tanteraka tao anatin´ny iray volana mahery herinandro izao.

 Na efa nitondrana Emmo-Reg sy «gros bras» aza ny fakana ireo fitaovana sy fiara nambara fa nogejain´ny mpiasa mitokona, nefa dia mbola fako, loto, fofona maimbo ary rano maloto miangona etsy sy eroa no iainan´ny vahoakan´i Toamasina isan´andro. Nambaran´Atoa Andriamihaja Jean René tamin´ny teny hentitra fa «raha tsy mahavita ny milaza ho mpitantana ny tanàna dia miala eo». «Tsy misy hidiranay izay olana iainan´ny Kaominina ao, fa ny fantatray vahoaka dia zonay ny miaina amin’ny tanàna madio sy milamina, ka raha ny tena asan´ny kaominina no tsy vitanareo mpanatanteraka ao, fa faly ny hanangom-bola fotsiny, dia handray andraikitra izahay vahoaka, fa efa an-tenda ny loza amin´ny fiparitahan´ny valanaretina», hoy izy. Ankilan´izay, dia nasian´Atoa Andriamihaja Jean René, resaka koa fa handray ny andraikiny ny olon-tsotra leo ny loto sy ny fako mamemo tanàna, raha tsy mahavita ny asany ny tokony hanao izany.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT