Tsy mbola nisy ny valin-kafatra mazava avy amin’ny mpitondra ankehitriny mikasika ny ampamoaka sy ilay taratasy misokatra nataon’ny profesora Zafy Albert.
Resaka “bois de rose” sy ny raharaha nahafatesan’olona ny 26 janoary sy ny 7 febroary 2009 moa izy io. Atoa isany Andry Rajoelina, filohan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita sy Camille Vital, praiministra, no tena voatonontonona ao anatin’ity resaka ity. Mandeha ary ny resaka amin’izao fotoana fa ho avy indray ny tapany faharoa amin’ity ampamoakan’ny profesora Zafy ity, ary mety ho amin’ity herinandro vaovao ity no hitrangan’izany, manoloana ny tsy fisian’ny valinteny avy amin’ireo voakasik’ilay raharaha. Marihana fa tsy ity filoha teo aloha ity ihany no nilaza fa tafiditra amin’ny trafikana andramena ny mpitondra ambony Malagasy fa efa nisy ihany koa mpandraharaha Sinoa nilaza fa i Andry Rajoelina mivantana mihitsy no nifampiraharaha tamin’izy ireo amin’ny fanondranana ity hazo sarobidy Malagasy ity, ho any Chine.
Tamin’izany fotoana izany moa dia nanambara ny filohan’ny tetezamita fa tsy voatery ho marina avokoa tsy akory izay vaovao mivoaka amin’ny tranonkala, ary tsy hoe rehefa vahiny no miteny dia marina sy tsy maintsy ekena foana izany. Fa mbola manjavozavo amin’ny maro ihany koa ny nihazakazahan’ny praiministra Camille Vital tamin’ny nisian’ireo «bois de rose» tratra tatsy amin’ny nosy Kaomoro ny volana jona 2010, indrindra moa fa farany teo dia mbola nihaona sy nifampiresaka naharitra tamina manampahefana kaomorianina indray izy.
Nahoana no tsy maintsy nijery ireo hazo ireo ary nanofa fiaramanidina manokana mihitsy ny jeneraly Camille Vital ? Tsy afaka nanao izany angaha ny ministry tontolo iainana sy ny ala nombana tompon’andraikitry ny sisintany sy ny filaminana ? Manjavozavo avokoa izany rehetra izany ka mila fanazavana. Ankoatr’ireo dia mbola misy anarana ministra sy mpikambana tao amin’ny FAT teo aloha ary olona ambony maro voatonontonona amin’io resaka «bois de rose» io, fa eo ihany koa ny fanondranana an-tsokosoko vatosoa sy volamena ary sokatra. Ho hita eo moa ny ho tohin’ity raharaha ity sy izay ampamoaka mety hataon’ny profesora Zafy Albert satria milaza ny manana porofo an-taratasy mazava izy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.