Lehilahy iray no hita faty tao Ankiady Andrainjato any Fianarantsoa omaly.
Tsy toy ny maty tsotra rehetra fa tsy teo tsony ny tarehiny, ny masony, ny sofiny, ny hodidohany, ary hatramin’ny atidohany aza dia toa nosokirina, ka nangobakobaka toa tsy nisy na inona na inona intsony tao anatiny. Tsy fantatra hoe iza ity olona ity tamin’ny fotoana nahitana ny razana. Heverina ho novonoina noho ny resaka kakay efa tena lalina, ka ireny olona tsy menatry ny hamono amin’ny fomba feno habibiana noho ny zava-mahadomelina na ilay karazana aretina lian-dra noho ny mety ho hadalana na hatezerana sy lonilony farak’izay lalina ireny no antony namonoana azy. Raha fijery ivelany ny razana rahateo, dia mbola teny an-kodiny avokoa ny fitafiany, ary nibaby kitapo ity lehilahy ity. Tsy fantatra izay zavatra nangalarina teny aminy ka mampiahiahy hoe fa fifofoana ny ainy tamin’ny fomba feno habibiana tsotr’izao no natao. Petra-kevitra hafa ihany koa anefa ny resaka halatra taova, saingy ny fanadihadian’ny mpitandro ny filaminana moa no heverina fa hivoahan’ny marina. Tsy milamina ny tany na an-tsaha na an-tanàna, ka ny mitandrina hatrany no fanafodiny, indrindra fa amin’ny alina.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.