Mpangalatra finday amidy eny an-tsena

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma


  • Zoma 28 Febroary 2025

Efa mampiasa « baguette magique » mihitsy koa ny olon-dratsy ankehitriny. Tondroina kely amin'ilay

bâton » misy « pouvoir" ny zavatra hangalarina dia manjavona ilay finday. Tovolahy kely iray no saron’ny fokonolona nanao izany tao an-tsenan’Ambodivary, Soavina Atsimondrano ny 26 Febroary lasa teo tokony ho tamin’ny 11 ora atoandro. Hazo lavalava toy ny tahon-kifafa no petahan-dry zalahy siligaoma ka raha vao variana ilay mpivarotra dia kitihiny amin’iny ny finday hamidy ary lasany avy hatrany. Natolotry ny fokonolona ny zandarimaria moa ity tovolahy kely ity raha tafaporitsaka kosa ny namany iray izay mbola karohina fatratra amin'izao fotoana izao. Na izany aza efa fantatra anarany sy ny adiresy misy azy. Avy eny Ankazotoho moa ilay voasambotra raha avy any Ankaditoho kosa ilay karohina. Pati
Legende : Ilay tovolahy kely mpangalatra finday !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

  • RAKOKO, JIOLAHY RAIN-DAHINY
  • Alakamisy 10 Oktobra 2024

Maty voatifitra rehefa namono olona 16 isa

Hijery ny tohiny
FTT