Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy


  • Alarobia 22 Janoary 2025

Basy poleta roa azon’ny polisy Mirongatra ny tsy fandriampahalemana ao Toamasina. Jiolahy miisa 4

no lavon’ny mpitandro ny filaminana vokatr’izany raha azon’izy ireo ihany koa ny basy poleta miisa roa. Omaly Talata 21 janoary 025 tokony ho tamin'ny 9 ora sy sasany maraina raha tsiahivina dia voamarina ny fisian’ireo jiolahy miisa 6 mpanao fanafihana mitam-piadiana tao Tanambao Verrerie parcelle 21/71 akaikin’ny lalan-tapaka. Tamin’ny 11 ora dia tratra ambodiomby teo am-padrobàna mpandeha tuktuk ireo jiolahy ireo. Niditra an-tsehatra avy hatrany ny Polisy tamin’io fotoana io mba hanakana ny fandrobàna sy hisambotra ireo jiolahy saingy namaly tamin’ny alalan’ny tifitra ireto farany. Vokany, raikitra ny fifampitifirana, ka iray tamin’ireo jiolahy no maty teo noho eo rehefa voatifitry ny Polisy ary tavela teny an-tanany ny maritoa nampiasainy hataony fitaovam-piadiana nandritra ny fandrobàna nataony. Raikitra ny fanenjehana an’ireo jiolahy hafa nandositra ary mbola nitohy ny fifampitifirana, telo tamin’ireo olon-dratsy no voatifitra ary maty tao Tsarakofafa. Basy vita gasy roa nampiasain’ireo jiolahy no tavela tany amin’ireo lavo, ny iray basy "calibre 12" efa voafahana, mbola niampy bala iray tany am-paosin’ilay jiolahy nitondra izany. « Pistolet automatique » iray efa voafahana miaraka amin’ny bala roa “calibre 9mm” no tany amin’ny iray tamin’ireo jiolahy. Jiolahy roa no fantatra fa mitondra fitaovam-piadiana no tafatsoaka ary mbola karohin’ny Polisy. Nitohy ny fifanenjehana omaly, fa tamin’ny ora nanoratana dia ireo 4 ireo no fantatra fa namoy ny ainy.
Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

  • RAKOKO, JIOLAHY RAIN-DAHINY
  • Alakamisy 10 Oktobra 2024

Maty voatifitra rehefa namono olona 16 isa

Hijery ny tohiny
FTT