FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka


  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ary ireo mpanara-maso ny tananany ihany ary ireo mpiray

tsikombakomba izay nahatratra fitobe izao no nahavita namono tamin’ny fomba feno habibiana ilay lahy antitra iray 67 taona tao amin’ny tananan’Ambalanirana, Fokontany Imerinkasinina, Kaominina ambanivohitr’Anjeva Gara. Raha tsiahivina kely ny tantara dia tamin’ny datin’ny 17 Oktobra teo no namoy ny ainy io lahy antitra io. Kapa famaky teo amin'ny faritry ny lohany no nanalan’ireo nahavanon-doza ny ainy raha ny fizahana nataon'ny mpitsabo. Efa nisy moa talohan’io tranga io ny hafatra nataon’ity lahy antitra ity tamin’ireo zanany raha sanatria ka misy manjo azy any aoriana. Efa nisy namoaka vava tamin’Itompokolahy mantsy ny sasany tamin’izy ireo fa tsy maintsy matiny itsy voalohany taorian’ny disadisa arak’asa nisy teo amin’ny roa tonta. Alahelon-toerana kosa ny an’ilay sakaizan’Itompokolahy fony fahavelony. Namosavian’itsy voalohany mantsy izy antony nampisaraka azy ireo hoy ny vaovao ka mbola nanamafisan’Itompokolahy ny hafatra napetrany ihany koa. Rehefa naseho teo anatrehan’ny Fitsarana moa izy 7 mianadahy ny 22 Oktobra teo dia notazonina vonjimaika eny amin’ny fonjaben’Antanimora.
Pati
Legende : Tovolahy vao herotrerony avokoa ireo niaraka tamin’ilay Ramatoabe nanao ilay asa ratsy !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • RAKOKO, JIOLAHY RAIN-DAHINY
  • Alakamisy 10 Oktobra 2024

Maty voatifitra rehefa namono olona 16 isa

Hijery ny tohiny
FTT