Notanterahina omaly alakamisy 13 desambra tokony ho tamin’ny 2 ora sy sasany tolakandro teny amin’ny toby Ratsimandrava, ny fanaovam-beloma ara-miaramila ny vatana mangatsiakan’ny zandary kilasy voalohany Razafimanjaka Tsilefy sy zandary kilasy faharoa Ravalosoa Marcelin,
namita iraka ara-dalàna lavon’ny dahalo tany Antsilimihambo, fokontany Ambanja distrikan’i Maintirano ny talata lasa teo. Hentitra ny Jeneraly Andrianjakana Njatoarisoa, kaomandy ambonin`ny zandarimariam-pirenena, nilaza fa tsy maintsy misy fepetra raisina ato ho ato. Hijanona ho tsiambaratelo ny asa aorian`izay. Nanamafy ny kaomandà Andrianiana Herilalatiana, tompon’andraikitry ny serasera eo anivon`ny zandarimariam-pirenena fa tsy maintsy misy lalàna hampiharina toy ny fandikana lalàna rehetra ary efa misy zandary nalefa any nanao fikarohana an`ireo nahavanon-doza. Raha tsiahivina, ireto zandary roalahy ireto dia nahazo iraka ara-dalàna niaro manokana ireo mpiasan`ny INSTAT izay nanatanteraka ny fanisam-bahoaka sy trano fonenana. Tany Antsilimihambo no natory izy ireo. Tamin`ny 4 ora sasany dia nisy fanafihan-dahalo nitranga ny talata lasa teo tany an-toerana. Tsy asan-dahalo tsotra fa miendrika valifaty izy ity, hoy ny eo anivon`ny zandariamariam-pirenena satria vao haingana no nisy dahalo maromaro teo am-pangalarana omby no nahalavoana dahalo am-polony mahery ka nandray anjara tamin`izany ireto roalahy ireto. Ahiana ho valifaty satria omby dimy no nalain’ireo dahalo manodidina ny 40 nahavanona izao loza izao. Taorian’ny famangiam-pahoriana ny fianakaviana, araka ny fomba malagasy, izay nataon’ny fianakaviamben’ny zandarimariam-pirenena dia nentina any an-tanindrazany avy ireo razana. Any Ampanihy ny iray ary any Mandrota Ambatondrazaka ny iray.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.