Fandriampahalemana

Zandary naato tamin’ny asany Tsy hiverina hiasa intsony


  • Alarobia 17 Novambra 2021

Naneho ny alahelony mikasika ny niainany ny maha zandary azy tetsy amin’ny toerana iray etsy Andrefan’Ambohijanahary omaly, ny adjida Andrianiekena Olivier.

 Niasa tamin’ny zandarimaria nanomboka ny taona 2004 hatramin’ny taona 2020 aho, hoy izy. Be ny zava-bita tao. Maro ny fampandriana tany natao. Betsaka ny dahalo ripaka fa misy sasantsasany ao amin’ny zandarimaria manao tsindry hazo lena na tsindry bokotra ary miditra amin’ny fiainako manokana. Resaka sipa! Nitaky ny zoko feno aho satria nahavita 15 mahery nanompoana firenena. Ny oktobra 2016 no nanomboka ny tantara hatramin’izao 2021 izao. Efa betsaka ny antanan-tohatra naleha ary miandry ny taratasy hivaly fa tsy hita. Manana tany misoratra amin’ny anarako izay namidiko hanampiako ny ray aman-dreniko aho ary novidian’izay madama izay. Niangavy io hoe ho aloha in-droa ilay izy. Nomeny ny vola voalohany fa nanao fanararaotam-pitokisana izy avy eo. Izy indray no nandrahona sy nitory ahy tany amin’ny fitsarana fa tsy nahazo rariny. Nangina 3 volana ny tantara fa nony tonga ny 2018 dia nofohaziny indray ilay izy ary nirehareha izy fa manana sipa kolonely. Tsy mba nampiantso ahy amin’ny maha mpirahalahy an’ady na “frère d’armes” anefa io kolonely io fa avy dia hoe poteho io bandy io. Notanterahana ny filankevim-panadihadiana izy ny jolay 2018 ihany. Nahato 9 volana tamin’ny asako aho. Febroary 2019 io hatramin’ny oktobra 2019. Resaka fiainana manokana anefa no nolazaina fa nanaovako h ara-kasa na hoe “faute professionnelle grave et négligeance grave dans le service”. Noho ny fitahian’Andriamanitra dia tsy nanan-danja ilay dosie namelezan-drizareo ahy satria nandray ny karamako ihany aho. Rehefa nandeha ny andro dia naseho an-drizareo ny sonian’ny « procureur de la république » na OSPJ izay nanamarina fa tsy meloka aho saingy tsy nasian’ny zandarimaria sira na dia rafitra eo amboniny aza. Maro ireo lasibatra toa ahy anatina raharaha toy ity fa dia fanokafam-baravarana ny ahy fa hisy ho avy ao aoriana ao ary tsy mijanona ity raha tsy mipoitra ny marina. Tsy mangataka hiverina hiasa intsony aho, hoy hatrany ny tenany, fa mangataka ny hanomezana ny zoko dia ilay « pension » sy « péculle ».
J. Mirija
Legende: Ny adjida Andrianiekena Olivier
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT