Fandriampahalemana

Zandarimariam-pirenena Tsy natao fieren’ny jiolahy


  • Zoma 08 Septambra 2017

Nitohy tany amin’ny faritr’i Betsiboka ny bemidina tanterahin’ny zandarimaria, ka tao Tsaratànana no notontosaina.

 

 Tanjona ny hamerenana ny fahatokisan’ny vahoaka ny zandarimariam-pirenena sy hametrahana fandriampahalemana maharitra. Ny Jeneraly Andriamanana Solofonirina Maherizo, talen’ny serasera sy ny fifandraisana amin’ny any ivelany ao amin’ny sekretariam-panjakana miadidy ny zandarimaria sy ny Jeneraly Miasa Manohizara Toussaint, talen’ny fifandraisan-davitra sy fampitam-baovao eo anivon’ny fibaikoana ny zandarimaria no nitarika ny delegasiona avy aty Antananarivo. Nanatrika izany ihany koa ireo tompon’andraikitry zandarimaria ao anatin’ny faritra Betsiboka, Sofia, ary Alaotra Mangoro, ka nisy ny fikaonan-doha notontosain’ireo niaraka tamin’ny tompon’andraiki-panjakana tao an-toerana ahafahana mandrafitra ny paikady mifanaraka amin’ny filan’ny vahoaka any ifotony. Nohararaotina io fotoana io nampatsiahivana sy nanentanana ny eny ifotony ireo hanefa ny adidiny amin’ny fampitana ny vaovao amin’ny mpitandro filaminana, ireo toe-javatra mety mitarika ny tsy fandriampahalemana. Nanome toky ny vahoaka kosa ireo tompon’andraikitra avy amin’ny zandarimariam-pirenena ireo fa vaindohan-draharaha ny fanadiovana ny ato anatiny satria tsy natao fieren’ny jiolahy na mpanao ratsy ny zandarimaria.

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT