Fandriampahalemana

Zandarimariam-pirenena Tompon’andraikitra ambony 24 nesorina


  • Alakamisy 12 Aprily 2018

Nisy fanovana ny komandy ambonin’ny zandarimariam-pirenena ny sabotsy 7 aprily lasa teo. Nanaitra sy nampieritreritra ny fahafantarana fa tompon’andraikitra ambony 24 mirahalahy be izao eo anivon’ny zandarimariam-pirenena no nesorina tamin’ny toerany ary notendrena ny olona vaovao hitantana.

 Nosoloina daholo, ohatra, ny lehiben’ny vondron-tobim-paritry ny zandarimariam-pirenena ho an’i Toamasina, Mahajanga, Toliara, Fianarantsoa ary Antananarivo, izany hoe faritany 5 amin’ny 6 misy eto Madagasikara. Niova ihany koa ny lehiben’ny sekoly ao Ambositra izay hotantanin’ny kolonely Miandrisoa Olivier, ny ao Moramanga nomena hotantanan’ny kolonely Rabemananjara Herinaina. Ny jeneraly Rakotondrazaka Andriatsarafara Andriamitovy kosa no voatendry ho lehiben’ny zandary eto Antananarivo ary nafindra toerana ka lasa lehiben’ny sampandraharahan’ny filaminana sy ny fanangonam-baovao ho an’ny fibaikoana ny zandarimariam-pirenena ny kolonely Ravoavy Nandrasanarisoa Zafisambatra, lehiben’ny vondron-tobim-paritry ny zandarimariam-pirenena Analamanga teo aloha. Mitohy ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana sy ny kolikoly, hoy ny komandy ambonin’ny zandarimariam-pirenena vaovao ny jeneraly Andrianjanaka Njatoarisoa  ny sabotsy lasa teo raha nandray ny toerany izy. Midika ve izany fa fanombohan’ny fanadiovana sahady ity fanesorana tompon’andraikitra miisa 24 be izao ity. Ary midika ve izany fa tsy nahavita an-tsakany sy an-davany ny andraikiny ireo olona ireo ? Sa sanatria resaka faritra sy fiaviana ary fahafantarana olona lava tanana indray no nahatonga izao tranga izao ?

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT