Fandriampahalemana

Zandarimariam-pirenena Tofoka amin’ny mizana tsindrian’ila…


  • Alatsinainy 15 Aprily 2019

Tsy misy vola ny fanjakana, ary io no antony tsy hivahan’ny olana maro amin’izao, raha tsy hilaza afa tsy ny an’ny mpampianatra mpikaroka.

 

 

 

 Manomboka misy sorisory ihany koa ny ao anatin’ny zandarimariam-pirenena. Misy fotoana mamoaka am-paosy ny zandary mamita iraka noho ny tsy fahampian’ny vola. Efa tena ren’ny zandary ny fiantraikan’ilay hoe : tsy misy vola ny fanjakana. Zary mahazo tsiny amin’ny vahoaka sy ny fiarahamonina rehefa sendra ilay tsy misy solika kanefa misy zavatra maika be tsy maintsy ilana azy ireny satria tsy ampy ny hoenti-manana kanefa ny zavatra hatrehina mihatra aman’aina. Karazan’ny nanao pi-maso tamin’ny mpitandro filaminana ihany i Andry Rajoelina tamin’ny fanomezana fiara tsy laitram-bala, ny fampanantenana samihafa toy ny angidim-by miisa 10 izay nolazaina indray fa 5 saingy tsy tonga na afaka roa volana aza no nolazaina. Ny olona manara-dia ny filoham-pirenena rehefa mivoaka any ivelan’i Madagasikara mahazo karazany tambiny 200 dolara isan’andro (700 000Ar eo ho eo), raha ny karazana lasitra ankapobeny efa nisy hatrizay no arahina. Rehefa izy ireo izany dia misy ihany ny vola ?  Feno teknisianina manampahaizana ao anatin’ny zandarimariam-pirenena, ary efa resaka mandeha ao ny hoe tena tsy mahavita azy (incompetent) ny filoha ankehitriny Andry Rajoelina. Kiana nataon’ny Afrikanina tany amin’ny fivoriana tany amin’ny Firenena Mikambana (ONU) tany New York ny septambra 2009 hoe “sans qualité” io toe-javatra io. Nosokajiana ho tsy mendrika hanatrika fivoriana avo lenta tamin’izany fotoana ary tsy mahazaka mitantana firenena. Tena misy ireo zandary sosotra amin’ny ataon’ny lehibe sasany izay raha vantanina dia misolelaka amin’ny mpitondra sy manao politika ka manaratsy endrika ny zandarimariam-pirenena Malagasy, izay noheverina hatrizay fa “corps d’élite” ary olon’ny lalàna sy ny fitiavan-tanindrazana. Misy mihitsy aza no voatonontonona amina afera maloto, saingy tsara aro ambany fahefam-panjakana. Sady mahazo tombondahiny amin’ny resa-bola sy harena ireny no tena manao bizina sy afera, fa ny aty ambany tratry ny tsindry samihafa sy toa tsy mba misitraka tombontsoa, hany ka maro no halaim-panahy hanao kolikoly sy hiray tsikombakomba amin'ny jiolahy satria ny lehibe aza manao. Tsikarika ho niezaka nanao pi-maso tamin’ny zandary ihany ny filoham-pirenena ankehitriny Andry Rajoelina ka nisafidy olon’ny zandary ho “porte serviette”, raha toa ka miaramila avokoa ny an’ny filoha teo aloha, saingy toa tsy mahomby ny tetika. Mampatahotra ny zava-misy satria taorian’ny polisy izany, dia ny zandary indray no manomboka mimenomenona amin’ny filoham-pirenena sady filoha faratampon’ny foloalindahy. Ahoana moa no hirindra ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana ? Inona no mety hitranga eto raha ny manana basy no mitroatra sy mampiseho ny fahefany ?

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT