Fandriampahalemana

Zandarimariam-pirenena Raikitra ny fiadiana ny amboaran’ny SEG


  • Alarobia 19 Jona 2019

Nosokafana omaly 18 jona 2019 tao amin’ny Toby Ratsimandrava ny lalao ara-panatanjahatena iadiana ny amboaran’ny Sekreteram-panajakana miadidy ny zandarimaria sy ny komandin’ny zandarimariam-pirenena.

 

 

 Hifaninana ny “Basketball, Volley ball” ary hazakazaka 5 km, izay efa fanao isan-taona, ka hikatroan’ireo zandary miasa eto Antananarivo sy ireo sekoly roa dia ny ESGN Moramanga ary ny EGN Ambositra. Filaharana namakivaky ny “Boulevard Ratsimandrava” no nanombohana ny lanonana, ka tonga nanotrona sy nanome voninahitra izany ny Jeneraly Richard Ravalomanana, sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria (SEG) sy ny Kaomandin’ny zandarimariam-pirenena ary ireo manamboninahitra sy manamboninahitra lefitra isan-tsokajiny miasa eto Antananarivo. Nanafatrafatra ireo manamboninahitra jeneraly roa ireo, fa lalao aram-piralahiana no atao fa tsy fifaninam-pirenena ka tsy tokony hampiseho endrika ratsy. Nampanaovana fianianana ireo solontenan’ny mpilalao sy ireo mpitsara. Tanjona ny ho fanamafisana ny fifankatiavana sy ny firahalahiana eo amin’ny samy zandary, hoy ny SEG. Nanolotra lelavola roa tapitrisa Ariary mba hatao ranom-boankazo ho an’ireo mpilalao izy.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT