Fandriampahalemana

Zandarimariam-pirenena Hohamafisina ny ady amin’ny kolikoly


  • Sabotsy 26 Janoary 2019

Afa-po tanteraka tamin’ny fitantanany ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena teo aloha ny jeneraly Randriamanarina Jean Christophe.

 

 

 Anisan’ny nampiavaka azy raha ny nambarany omaly ny fahaizana mipetraka afovoany hatrany na dia teo aza ny krizy nolalovan’ny firenena. Nandao io andraikitra io ny tenany omaly taorian’ny nanendrena ny jeneraly  Ravalomanana Richard ho sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena vaovao. Fanamby maro no napetrak’ity tompon’andraikitra ity ho fanasoavana ny vahoaka sy hamerenana indray ny hasin’ny zandarimariam-pirenena.  Anisany ny ady amin’ny kolikoly, indrindra ny fidirana ho mpianatra ho zandary. Hofoanana ihany koa ny fisian’ireo zandary tsy mbola misotro ronono nefa efa tsy miasa sahady, handoavana karama isam-bolana. Tsy hisy intsony ihany koa ny fifandonana amin’ny hery hafa. Anisan’izany ny polisy, ny miaramila. Hisy mantsy raha ny nambarany ny fivoriana iarahana amin’ireo tompon’andraikitra voakasika hanatsarana ny fihavanana.  Nambarany fa tsy ny tenany no hanam-pikasana ny hanafoana ny zandarimariam-pirenena, resabe nandeha tany aloha tany. Ny zandary aza raha ny nambarany no tena miasa indrindra satria sady  mikatroka eto an-drenivohitra no manao izay tratry ny heriny any ambanivohitra.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT