Fandriampahalemana

Zandarimaria Malagasy-Frantsay Mihamafy hatrany ny fiaraha-miasa


  • Zoma 13 Aprily 2018

Nanao fitsidihana ny foibem-pibaikoana ny zandarimariam-pirenena tao amin’ny Toby Ratsimandrava omaly 12 aprily maraina ny Général de Brigade Xavier Ducept, Komandin’ny zandarimaria ao amin’ny Nosy La Réunion.

Nandray azy tamin’izany ny jeneraly lefitra voalohan’ny Komandin’ny Zandarimaria, izay nisolotena ny komandy ambonin’ny zandarimaria, izay mbola namita iraka. Nifototra betsaka tamin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa efa misy ny votoatin-dresaka. Nisy ny fanolorana tamin’ny fomba ofisialy ireo fitaovana ara-teknika ilaina amin’ny fikarohana ny asa fandikan-dalàna, ary koa kojakoja maro ilaina amin’ny fiarakodia. Nisy ihany koa ny fifanolorana mari-pahatsiarovana. Nanohy ny fitsidihana nataony teto teny amin’ny tobim-pibaikoana ireo Vondrona manokana eny Ivato io manamboninahitra Frantsay io ny tolakandro, nialoha ny niondranany nitodi-doha any La Réunion. Mitombo ary mihatsara hatrany ny fifandraisana arak’asa eo amin’ny zandarimaria Frantsay sy Malagasy. Tanjona hapetraka ho an’ny zandarimariam-pirenena eto Madagasikara ny hipakan’ny vokatry ny asa aterak’izany amin’ny vahoaka mba hahatanterahan’ilay hoe “Tanindrazana sy lalàna”.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT