Niakatra fampanoavana omaly ireo 3 lahy nosamborina noho ny raharaha vono olona nitranga teny Tanjombato ny 3 aogositra teo.
Raha tsiahivina ny zava-niseho dia hita faty tao amin’ny lakandranon’Andranoky ny vehivavy iray ary ny lehilahy izay namany kosa dia teo amoron’io rano io ihany no hita. Tsatok’antsy maromaro moa no nanjo azy roa ireo raha ny voalazan’ny fanadihadiana. Tamin’ny marainan’ny 2 aogositra no niainga avy tany Fianarantsoa ity vehivavy novonoina ity mba hividy solosaina entin-tanana teto Antananarivo ary saika hivantana amin’iray tamin’ireo olon-dratsy, izay naman’ny mpiara-mianatra aminy. Fantatr’ity olon-dratsy ity ny fandaharam-potoanan’ilay vehivavy ary nitsiry teo ny sain-dratsiny. Nampandrenesiny noho izany ireo namany roalahy hanomana ny fanendahana. Niova anefa ny praograma satria dia notsenain’ny olon-tiany ilay tovovavy. Tapa-kevitra ny hamono azy roa, noho izay fiovana izay, ireto olon-dratsy ireto saingy nangasihasy satria tanaty Mvola no nisy ilay vola saika hividianana fitaovana. Mandra-pahatonga ny fotoam-pamotorana lalina sy didim-pitsarana farany dia nohazonina eny Tsiafahy moa izy telo lahy ireto ary efa niaiky ny heloka vitany rahateo, raha ny fanazavan’ny mpisolovavan’ny fianakavian’ireo niharam-boina, ny Maitre Rindra Rakotonaivo.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.