Zazavavy vao 15 taona sy zazalahy 13 taona no voasambotra noho ilay raharaha teny Ambohitrarahaba nisian’ny famonoana tovolahikely iray 12 taona tamin’ny fomba feno habibiana ny talata lasa teo satria nofatorana ary notapahina tamin’ny antsy sy famaky ny lohany, ary nesoriny voamasony roa.
Nalaina an-keriny kosa ny zandriny vao 6 taona monja, saingy hita teny Ambohidratrimo rehefa hariva ny andro. Nisy kitapo kely nampitondraina azy, ka rehefa nosavaina dia mbola zava-doza ihany no niseho satria hita tao ny voamason’ilay zokiny. Tsy iza ilay zazavavy vao 15 taona voasambatra fa ny mpanampy tao an-trano ihany saingy efa noroahiana. Izy no niantefan’ny ahiahy, ary rehefa nandeha tokoa ny fikarohana dia tra-tehaka, ary voamarina fa tsy afa-miala izy. Teo amin’ny faritra tsy lavitra an’Ambohitrarahaba no nahitana ireto olona roa tsy ampy taona nahavanon-doza tsy mampino ireto niaraka tamin’ny ampahany tamin’ireo zavatra nangalarina tao an-trano. Teo imason'ny ray aman-dreniny no nahatrarana azy ireo. Porofo tsy azon’izy ireo nialana ny fahatrarana volabe 12 800 000Ar sy 24 000 Dolara sy finday. Rehefa nanontaniana ny ray aman-drenin’ireo zaza lasibatra dia nanamarina fa ireo vola izay very tao an-trano ireo tratra ireo, ka ny ampahany betsaka tamin’ilay 14 tapitrisa ariary no efa tratra. Ny fomba nahitana azy roa kosa dia tamin’ny alalan’ny fampitam-baovao naparitaka tamin’ny tobim-paritry ny zandarimaria sy ny tompon’andraikitry ny fokontany, ka nahafahana nahita ireo olona ireo sy ny ampahan’ny zavatra very, hoy ny fanazavan’ny kolonely Ravoavy Zafisambatra Lehiben’ny CIRGN Analamanga teny amin’ny Tobin’ny zandarimaria Ankadilalana omaly. Nampiasaina mihitsy ny olona manana ny traikefa avy amin’ny sampana misahana ny heloka bevava sy ny alika mpitsongo dia tamin’ny fikarohana ireo ahiahiana. Kely dia efa nahavanon-doza ireo zaza 15 sy 13 taona ireo, ary mba natahotra ny ho tratra ihany izy ireo fa hoe raha maty ilay zaza dia hitan'ny zandary ao anaty masony ny sarin'izay namono azy, ka dia nesoriny ny mason'ilay zaza novonoiny. Mbola mitohy kosa ny fanadihadiana amin’ny mety ho mbola fisian’ny olon-kafa naniraka azy ireo.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.