Fandriampahalemana

Vono olona tao Imerintsiatosika Mpiara-mibizina no nahavanon-doza


  • Alarobia 29 Aogositra 2018

Olona telo no nosamborin’ny zandary avy ao amin’ny “Groupement” ao Itasy noho ilay vono olona mahatsiravina namoizana ain’olona telo,

 

 

 hita faty ny marainan’ny alatsinainy teo. Lehilahy iray no tena ahiahiana ho nandray anjara mivantana tamin’ny famonoana, raha ny fanampim-baovaon’ny Zandarimariam-pirenena. Nandeha ny fikarohana ary nisy ny tsara sitra-po nanome vaovao nahafaha-nisambotra azy io omaly maraina. Tsy nisy mihitsy ny diana vakitrano. Fantatra tamin’izany fa tsy maintsy olona niditra tao an-trano ary mahalala azy ireo tsara no nahavanon-doza satria raha ny hidin-trano mafy tsara, dia tsy azo vahana avy any ivelany izy io, hoy ny zandarimaria. Rehefa nandeha ny fikaroham-baovao, dia nisy olona naman’izy ireo akaiky ahiahiana ho tompon’antoka. Mpiara-manao bizinesy amin’ilay lehilahy ary misy resaka ara-bola voalaza fa tsy nifanarahana. Rehefa nosavaina ny tranony, dia nahitana akanjo sy pataloha, ary kiraro nihosin-drà. Notazonina hatao porofo aloha ireo, ary notazonina vonjimaika any amin’ny fonjan’Arivonimamo io noho ny tahotra ny hisian’ny fitsaram-bahoaka. Mitohy hatrany ny fanadihadiana sy ny fikarohana ireo olon-dratsy sasany. Tonga omaly hariva tany Sandrandahy, distrikan’i Fandriana ny nofo mangatsiakan’i Nantenaina sy Julianna Rakotorahalahy ary ny zanany kely, ka anio alarobia no handevenana azy ireo, izay vao erotrerony kanefa namoy ny ainy noho ny hetraketrak’ireo tsivalahara.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT