Fandriampahalemana

Vono olona Nosamborina i Dadafara


  • Zoma 31 Aogositra 2018

Andro vitsy taorian’ny fanafihana mitam-piadiana nahafatesana olona roa niseho tao Ambalavola-Mahajanga ny zoma lasa teo, saron’ny polisy i Dadafara,

 

 anisan’ny nandray anjara mivantana tamin’ny fanafihana niaraka tamina telo lahy hafa izay mbola karohina fatratra. Tao Aranta no nisamborana ity jiolahy raindahiny ity, jiolahy izay efa gadralava kanefa izao mbola mamerin-keloka izao indray. Mbola fanafihana mitam-piadiana ihany koa no efa nampigadra azy ary vao tsy ela akory izy no nahavita ny saziny dia izao mamerina izao sahady. Omaly no hiakatra fampanoavana ny raharaha ary manaraka izany akaiky ny mponin’i Mahajanga noho ny tsy fahatokisana intsony ny Fitsarana.

Nangonin’i Jean D.


 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT