Fandriampahalemana

Vono olona miaro fanolanana Saika halevin’ilay vazaha teo an-tokontaniny ny sipany


  • Talata 06 Aprily 2021

Tovovavy iray, teratany Malagasy, 20 taona saikazam-bazaha no namoy ny ainy tamin’ny fomba hafahafa tao an-tranon’ity farany.

 

 

Efa nofonosina ary tany an-trano fitoeran’entana no nahitana azy. Fanomezam-baovao avy amina olontsotra nantsoin’ilay vazaha lahy, hanampy azy handevina ilay faty no niaingan’ny fikarohana sy fanadihadiana nataon’ny zandary nanomboka ny sabotsy 3 aprily teo. Teny Ambohibao Antehiroka no niseho ity vono olona ity. Natao ny fisavana ny trano fonenan’izy ireo rehefa nahazo fahazoan-dalana avy amin’ny Fitsarana ny zandary. Nandritra izany no tsikaritr’ireto mpanao fanadihadiana fa nikorontana ny efitrano fatoriana, nahitana takosona rà ary koa basy mahery vaika “fusil à pompe” miaraka amin’ny bala maromaro. Nitohy ny fisavana ireo efitra hafa, ka tamin’izany nahitana ny faty efa voafono tao amin’ny trano feno korontan’entana. Nisy lavaka efa vonona koa teo an-tokontany, toa nomanina handevenana ilay faty. Nandritra ny fitsirihana nataon’ny dokotera avy ao amin’ny CSB-II Ambohibao no nanombanana fa efa telo andro no nahafaty ilay tovovavy, ary niharan’ny herisetra ara-nofo ihany koa izy. Nalefa any amin’ny tranom-patin’ny HJRA ny razana taorian’ny fitsirihana sy fanamarinana, ary notazomina tao amin’ny Borigadin’ny zandary Talatamaty mba hatao fanadihadiana ilay vazaha sakaizany sady tompontrano. Manan-janaka roa, tsy ampy taona, ilay vazaha. Efa nisara-bady ity farany, ka ny mpampianatra azy ireo no nanankinana vonjimaika ireo zaza eo ampikarohana ny reny niteraka azy ireo.


Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT