Tsy mahazo mivoaka ny trano intsony ny zaza tsy ampy taona rehetra manomboka amin’ny 02 ora folakandro any amin’ny distrikan’Andapa.
Ho fiarovana azy ireo amin’ireo karazana trangana vono olona niseho matetika tany an-toerana no anton’izany. Hatreto mantsy raha tsiahivina dia nahatratra 9 ireo namoy ny ainy tany amin’ity distrika iray ity tao anatin’ny fito volana ka tovovavy mbola tanora sy herotrerony avokoa ny ankamaroany. Hivondrona hiady amin’izany manomboka izao ireo Sojabe rehetraao Andapa, fikambanana izay vao natsangana afak’omaly. Hiara-kiasa amin’ny mpitandro ny filaminana sy ny andrimasom-pokonolona any an-toerana izy ireo hahitana ny tena marina mikasika ity vono olona lava miseho any Andapa ity.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.