Efa maty eritreritra tanteraka ny olona sasany amin’izao fotoana izao.
Vokatry ny fifamaliana avy nisotro toaka dia novonoin’ireo roalahy tamin’ny fomba feno habibiana ny namany. Niapanga azy
roalahy ireo ny ra velon’ity farany izay hita taratra teny amin’ireo fitaovam-piadiana sy ny fitafiany. Ny alahady 17 martsa lasa teo tokony ho tamin’ny 6 ora hariva dia naharay antso vonjy tamin’ny fokonolona ny polisy tao Ihosy fa misy 2 lahy mitondra famaky mihosin-dra mandehandeha eo an-tanàna. Avy hatrany dia namaly ny antso izy ireo ary niditra an-tsehatra ka voasambotra ny iray tamin’ireo roalahy ireo fa ny 1 kosa tafatsoaka. Nandritra ny famotorana no nahafantarana fa fifamaliana niseho tamin’ny fotoana niarahan’izy ireo nisotro tao amina trano fisotroana iray tao an-tanàna ihany no niatombohany. Rehefa nirava tao amin’ilay “bar” izy ireo ka lasa lavidavitra dia novonoin’izy ireo ny namany iray. Mbola nihosin-dra ny tanana sy ny ankajon’ireto roa ireto tamin’ny fotoana nanamboran’ny polisy azy ireo ary nahatrarana basy poleta vita gasy 1 sy famaky lehibe 1 teny amin’ilay tovolahy voasambotra. Efa natolotra ny fitsarana ny raharaha ary efa notazomina vonjimaika any am-ponja ilay nahavanon-doza.
Haja Nirina
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.