Fandriampahalemana

Vono olona feno habibiana Notapahana ny loha sy ny tanan’ilay rangahy


  • Zoma 09 Oktobra 2020

Efa mivadika biby ny olombelona. Raim-pianakaviana iray 52 taona no maty notapahin-doha sy tanana tao Anjombalava, Kaominina Ambanivohitr’i Anjagnoveratra, distrikan’i Sambava ny 07 oktobra lasa teo.

 

 

 Nandefa nifoha maraina mba hamonjy ny tanimboliny any Beangivy Itompokolahy no nisy namono, teo amin’ny tanana antsoina hoe : Ampamitanana. Olona sendra taorinany no nahatsikaritra ra mandriaka teo amin'ny sisin-dalana , lalana nalefahan’Itompokolahy. Nampandre ny tao an-tanana ity farany vokatr’izany ka rehefa nanao ny fanarahan-dia izy ireo dia hita ny razana saingy efa tsy nisy lohany intsony. Ny anabaviny no nahalala an’Itompokolahy ka notohizana ihany ny fikarohana. 50 metatra taorian’izay dia hita indray ny lohany.Tao anatin'ny tsongo dia nataon'ny vahoaka no nisy nanome loharanom-baovao nilaza nisy tanora iray manodidina ny 25 taona nandalo ny faritra misy azy ireo ary toa mihazakazaka be. Avy any Mananjaran'Ifosa io tanora io. Tratra moa ity farany ka saika niharan’ny fitsaram-bahoaka. Voatery nalefa any Sambava ny tovolahy noho izany. Nilaza ny tsy hamaly faty moa ireo manana ny maty fa kosa mitaky ny fandraisan'ny fianakavian'olona namono ny havany tamin'ny fomba feno habibina mba handray an-tanana ny lany rehetra. Efa voalevina ny razana.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT