Fandriampahalemana

Vono olona feno habibiana Faty efa simba tanteraka no novantanin’ny havany


  • Talata 20 Aprily 2021

Hatairana, alahelo, fahoriana tsy roa aman-tany no niainan’ny fianakavian’i Nanah, renim-pianakaviana 27 taona,

 

 

 

teo am-pahitana ny vatana mangatsiakany rehefa tsy hita nanomboka ny alakamisy lasa teo. Fatsy efa simba tanteraka, tsy nisy namantarana azy intsony, tsy hita ny tanany roa sy ny faritra hafa tamin’ny vatany no nisy nahita tao Tsararivotra Belobaka-Mahajanga II ny alahady 18 aprily. Ankizy handeha hilalao baolina no nahita ity tranga mampihoron-koditra ity, ka nampandre ny teo amin’ny manodidina. Raha ny fitantaran’ny reniny dia ny alakamisy 15 aprily 2021 no niala tao an-tranony, nilaza ho nifanao fotoana tamina tovolahy iray i Nanah. Napetrany tao an-trano ny zanany ary najanony ihany koa ny findainy. Taorian’io dia tsy niverina tao an-tranony intsony izy ary nanao fikarohana rehetra ny havany saingy izao efa vatana mangatsiaka izao no novantanina. Tamin’ny fisavana ilay finday no nahalalana io antony nialany tao an-trano io. Nidina teny an-toerana nanao ny asany ny mpitsabo sy ny zandary ary nanapa-kevitra ny fianakaviana fa alevina io alahady io ihany, taorian’ny fitsirihana sy ny fizahana nataon’ny manampahefana noho ny razana efa simba tanteraka. Miandrandra mafy ny hanaovana fanadihadiana lalina sy hazalambo izay mety ho nahavanona izao habibiana izao ny fianakaviana. Tsy dia mpiseho ao amin’ny Fokontany Tsararivotra ny toy izao raha ny fanazavan’ny Sefo Fokontany saingy tao anatin’ny andro vitsy izay, ity no tranga vono olona faharoa niseho tao amin’ny Kaominina Belobaka.


Nangonin’i Jean D.

  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT