Fandriampahalemana

Vono olona feno habibiana Fanoto sy antsy ary maritoa no namonoany ny zanany


  • Talata 06 Aprily 2021

Renim-pianakaviana manodidina ny 40 taona no maty novonoin'ny rainy ihany ny alahady lasa teo,

 

tokony ho tamin'ny 5 ora sy sasany maraina teny Mandrosoa Ivato. Tamin'ny fomba feno habibiana tokoa no namonoana ity renim-pianakaviana ity raha ny nambaran'ny nanatri-maso sy ny manodidina, satria fanoto sy antsy ary maritoa no nanaperan-drainy ny ainy, raha ny fanazavana. Voalaza fa nisy fifandirana teo amin'izy mianaka ka nitsoaka ilay renim-pianakaviana. Tsy nody izy raha tsy maraina fa natory teo amin'ny manodidina izay mpanofa ny tranon'izy ireo ihany. Tezitra tamin'izany ny rainy ka namono azy avy hatrany. Niteraka vavy kely iray io renim-pianakaviana namoy ny ainy io, ary miara-mipetraka amin'ny rainy izy mianaka kely, satria tsy dia salama saina izy ka misy fotoana mihetsika izany. Tonga teny ifotony ny zandary avy ao amin'ny “poste avancé” Mandrosoa nandray andraikitra sy nitondra ilay raim-pianakaviana hanaovana fanadihadiana. Ny fokontany sy ny fokonolona kosa no nikarakara ny razana taorian'ny fizahana nataon'ny mpitsabo.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT