Fandriampahalemana

Vola 4 gony very Tratra tany Toliara ireo nandroba ny BNI Andohanilakaka


  • Alarobia 13 Oktobra 2021

Nisehoana fandrobana mitam-piadiana tao amin’ny BNI Andohanilakaka, faritra Ihorombe afak’omaly alina . Lehilahy 02 sy vehivavy 01 no tompon'antoka tamin’ny fanafihana.

 Nilaza izy ireo fa mpiasan'ny banky avy aty Antananarivo tonga hanamboatra groupe ka mba mila mihaona amin’ny talen'ny banky ao an-toerana. Rehefa avy niresaka tamin’ny tale nandritra ny 15minitra izy ireo dia nitadiavana trano hatoriany. Niverina tao amin’ny biraony avy eo ilay tale kinanjo nony tonga ny tamin’ny 9ora30 alina dia indreo izy 3 mianadahy tonga tao amin’ny birao indray ary tonga dia niantso sécurité civile izay avy hatrany dia nofatoran'izy ireo ny tongotra aman-tanany ary nasiana scotch ny vavany. Nantsoin'izy ireo indray ny adjoint ka nambanany basy mba hanome ny code secret-n'ny coffre. Vantany vao tafavoha ny coffre dia nofatoran'izy ireo ihany koa ilay adjoint ary notampenana ny vavany. Vola 4 gony no azon'izy ireo tamin’izany ary nampidiriny avy hatrany tanaty fiara 4x4 izay an'ny BNI ihany ka nitodi-doha tany Atsimo izy ireo rehefa namotsotra an-dRamatoa tale. Tsy nipetra-potsiny ny mpitandron'ny filaminana ka avy dia nikaroka ireo nahavanon-doza ka tratra tao Toliara ireo olon-dratsy niaraka tamin'ny vola nangalariny.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT