Voarohirohy ho nangala-jaza

Saika matin’ny fokonolona ilay lehilahy


  • Talata 05 Septambra 2023

Lehilahy iray manodidina ny 35 taona teo ho eo omaly no voarohirohy ho nangala-jaza tany Tsimenatse Toliara.

Nanjehin’ity lehilahy ity avy any aoriana ilay zaza , izay marihina fa zazavavy kely hoy ny vaovao ka nanaitra ny fokonolona. Somary nikiakiaka ihany koa ity farany nandritra izany. Rehefa nanontaniana ilay zaza dia nilaza fa tsy mbola nahita na mahafantatra io lehilahy io. Voatery nosamborin’ny fokonolona sy notazoniny ilay lehilahy noho izany ary nateriny teny anivon’ny mpitandro ny filaminana mba hanaovana fanadihadiana. Tsiahivina moa fa mbola mahazo vahana tanteraka ny fakana zaza an-keriny sy ny fakana maso na taovan’olona any amin’iny faritra Atsimon’ny Nosy iny. Izany indrindra no manosika ny fokonolona ho mailo, indrindra fa ho an’ireo zatovolahy izay saika tompon’ny ati-doha hatrany noho izy ireny tsy mahita asa.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay lehilahy mpangala-jaza saika matin’ny fitsaram-bahoaka !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT