Fandriampahalemana

Vatobe 67 Ha Mpanendaka rain-dahiny iray no tratra


  • Alarobia 04 Novambra 2020

Mpanendaka rain-dahiny iray niaraka tamin’ny antsy lava lela no saron’ny polisy avy ao amin’ny Boriborintany fahatelo teny amin’ny Vatobe 67 ha ny 30 Oktobra teo, tokony ho tamin’ny 08 ora alina.

 

 

Telolahy izy ireo no niaraka izay somary nanao fihetsika mampiahiahy, raha araka ny fantatra. Nitsoaka avy hatrany ny iray raha vantany vao nahita ireo polisy nanao fisafoana ka raikitra ny fifanenjehana. Tsy lasa lavitra anefa ity farany dia tratra. Nandritra ny fisamborana azy dia mbola nahitana antsy lava lela iray tany aminy. Nentina avy hatrany teny amin’ny paositry ny Polisy nanaovana fanadihadiana ny tovolahy. Fantatra tamin’izany ary fa efa maro ny olona voaendak’izy ireo teo amin’ny Vatobe 67ha ary efa maro koa ny fitrainana voaray mahakasika ireto andihan-dehilahy manendaka miaraka amin’ny atsy ireto. Anisan’ny nandray anjara tamin’ny fanendahana niseho ny 21 Septambra teo ity tovolahy tratra ity. Lehilahy iray no lasibatra tamin’izany teo akaikin’ny mpanao fatapera, Fokontany Andohatapenaka I. Rehefa avy niala bus ity lehilahy ity dia nambanan’izy ireo tamin’ny antsy ary tsy afa-nihetsika ka nalain’izy ireo tamin’izany ny vola 40.000 Ar, finday iray marika Samsung J4… Rehefa nantsoina moa ny mpitory dia nanamarina fa anisan’ireo andiana tovolahy nanendaka azy marina ity voasambotra ity. Natolotra ny fampanoavana omaly koa ny tovolahy. 


Pati

Legende : Ity ilay tovolahy mpanendaka hikoizana eny amin’ny Vatobe 67 ha

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT