Fandriampahalemana

Varotra rongony mahery vaika Olona 6 indray no voasambotra teny Tanjombato


  • Alatsinainy 13 Jona 2022

Voasambotry ny Polisy miasa ao amin'ny kaomisaria foibe ao Tanjombato tao amin'ny fari-piadidiany ny olona enina mianadahy nahitana lehilahy telo sy vehivavy telo ny sabotsy 11 jona lasa teo tokony ho tamin'ny 6 ora maraina

 rehefa nivarotra zava-mahadomelina mahery vaika. Fantatry ny mpitandro ny filaminana miandraikitra iny faritra iny ny fisian'olona mamatsy zava-mahadomelina mahery vaika eny an-toerana. Nanamarina izany izy ireo ary niditra an-tsehatra tamin'ny fijerena ilay tokantrano voalaza. Ny efatra mianadahy amin’izy ireo dia mpivarotra avokoa raha mpanjifa ny roa. Mbola nahatrarana fitaovana maromaro fampiasa amin'izany tao amin'ilay tokantrano toy ny seringue, briquet. Nahitana rongony ihany koa. 18 ka hatramin'ny 51 ny salantaonan'izy ireo. Araka ny fantatra dia isan’ny mamatsy iny faritra iny ireto olona voasambotra ireto.
Nangonin’i Pati
Legende : Ireto izy 6 mianadahy
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT