Lehilahy iray no voasambotry ny Polisim-pirenena avy ao amin'ny Commissariat Central ao Fianarantsoa ny alahady teo tao amin'ny fokontanin'Anjoma noho ny resaka vakitrano.
Raha nanao fisafoana tao amin'ny faritra Anjoma ny Polisy ny alahady teo tamin'ny 09 ora alina no nahatsikaritra lehilahy 01 nilanja fahitalavitra lehibe 01 . Nosakanana avy hatrany ity lehilahy ity ary noho izy tsy nanana porofo mazava ny maha azy io entana tratra teny aminy io dia nentina nanaovana fanadihadiana avy hatrany izy. Tamin'izany no nahafantarana fa teo am-pitaterana entana azony tamina vakitrano vao avy nataony teny an-toerana izy no voasambotra io. Rehefa nosavaina ihany koa ny trano fonenany dia mbola nahitana "ordinateur portable" iray sy vata fahita lavitra lehibe iray ary "tablette” iray ihany koa tao. Niaiky ny heloka vitany izy nandritra ny fanadihadiana azy. Efa naverina tamin'ny tompony avokoa moa ireo entany ireo. Naiditra am-ponja vonjimaika ity lehilahy ity rehefa avy natolotra ny fampanoavana.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.